2012
Miteny Amintsika Izy ireo
Aprily 2012


Miteny Amintsika Izy ireo

Nampianatra ireo Mpikamban’ny Fiangonana tany Argentina ny Loholona Christofferson sy ny Loholona Jensen

Niresaka tamin’ireo zatovo, sy ireo tanora tokan-tena, ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, sy ireo misiônera ary ireo mpikambana tany Salta, Argentine ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Loholona Jay E. Jensen avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny Asabotsy 12 Nôvambra 2011.

Nanatrika izany koa ny Loholona Mervyn B. Arnold, Filohan’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo; sy i Devonna vadiny; ary ny Loholona Ruben Spitale, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra. Nanatrika izany koa i Kathy vadin’ny Loholona Christofferson, ary i Lona vadin’ny Loholona Jensen.

Tanora sy ray aman-dreny miisa 1300 latsaka kely teo no nanatrika ilay takariva amorom-patana izay nandraisan’ny Loholona Christofferson sy ny Loholona Jensen fitenenana. Nanatrika izany tamin’ny alalan’ny fampitana mivantana tany amin’ny foiben’ireo tsatòka miisa 70 ireo mpikambana hafa miisa 10.000 nanerana an’i Argentine.

Ny Loholona Jensen izay efa Filohan’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo teo aloha dia nilaza hoe: “Raha toa tsy mahatadidy izay zavatra nolazaiko ianareo dia tiako ianareo mba hahatsiaro fehezan-teny iray avy amin’ny mpaminany iray, dia ny Filoha Thomas S. Monson, izay ijoroako ho vavolombelona fa tena mpaminanin’Andriamanitra marina. Ity ilay fehezan-teny: ‘Ireo fanapahan-kevitra no mamaritra ny hoavy. ’”

Manana fahafahana misafidy isika—ilay fahafahana sy fananana tombony handray fanapahan-kevitra—hoy ny Loholona Jensen ary amin’ny alalan’ireo fanapahan-kevitra raisina ireo no isafidianantsika ny hoavintsika.

Notantarainy ny tantaran’ny namana iray izay indray alina dia nisafidy ny hisotro dia nitondra fiarakodia ka dia niteraka loza nahafaty olona roa. Nampifanoheriny tamin’izany ny tantara izay mikasika ny safidin’izy mivady hanemotra ny fanambadiana mba hahafahany handeha hanao asa fitoriana amin’ny maha-tovolahy azy.

“Rehefa [niverina aho] dia nivady tany amin’ny tempoly izahay. Nanao fanekempihavanana izahay izay navaozinay isan-kerinandro nandritra ny androm-piainananay manontolo. Nandray fanapahan-kevitra iray izahay, izay namaritra ny hoavinay,” hoy izy.

Avy eo Rahavavy Christofferson dia nijoro ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana azo avy amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana ary nofaranan’ny Loholona Christofferson ny fivoriana.

“Ny hany zavatra ilainareo dia ny fitiavana sy ny finoana,” hoy ny Loholona Christofferson. “Ny finoana no manampy anay eo amin’ny fanambadianay, ny fianakavianay ary ny asa aman-draharahanay.”

Nanamafy izy fa ny didy dia manome tari-dalana eo amin’ny fiainantsika ary manampy antsika hahazo izay zavatra tena manan-danja.

Dia nanoro hevitra ny tanora sy ny ray aman-drenin’izy ireo izy mba hanolo-tena hanaraka ny torohevitra hita ao amin’ny bokikely Jeunes Soyez Forts.

Hoy izy hoe: “Hanome hery lehibe ny zanakareo izany, na dia amin’ny fotoana hahatsapany tena ho irery aza—satria fantany fa manaja fitsipika mitovy amin’izany koa ny ray aman-dreniny.”

Ny Loholona Christofferson dia namarana ny anjarany tamin’ny fanehoana fitiavana an’ireo mpikambana any Argentine, izay toerana nanaovany asa fitoriana efa ho dimampolo taona latsaka lasa izay.

Ny Loholona Christofferson sy ny Loholona Jensen koa tany Salta dia nihaona tamin’ireo misiônera teo an-toerana sy ireo tanora tokan-tena izay nampitan’izy ireo ny fitiavana avy amin’ireo Rahalahy.

Samy nandray fitenenana teo anatrehan’ireo misiônera avy any amin’ny Misiônan’i Resistencia, Argentine ny Loholona Christofferson sy ny Loholona Jensen tamin’ny voalohandohan’ny volana Nôvambra 2011.

Sary nalain’i James Dalrymple