2012
Fanehoan-kevitra
Aprily 2012


Fanehoan-kevitra

Kompà Tena Ilaina

Ny Liahona no fanilo manazava ahy eto amin’ity fiainana ity. Tsy ho very mihitsy aho miaraka aminy. Mino aho fa ireo rehetra izay mamaky ny gazetibokin’ny Fiangonana dia afaka mahita tsara ny zavatra ilainy. Izaho dia filohan’ny Kilonga ary hitako fa tian’ny ankizy ny mihaino tantara momba ireo ankizy mitovy amin’izy ireo ao amin’ny gazetiboky. Ny Liahona dia kompà tena ilaina eo amin’ny fiainantsika. Manampy antsika hisoroka ny fandrik’i Satana izany.

Yanina Ivanivna Davydenko, Ukraine

Mitondra Fankaherezana Ireo Zavatra Niainan’ny Hafa

Ny Liahona dia tena nanampy ahy tokoa tamin’ny alalan’ireo hafatra sy lahatsoratra ao aminy. Ao anatin’izao fiainantsika mirotoroto izao dia, matetika aho no mijanona kely ao anatin’ny andro iray ary mamaky lahatsoratra iray avy ao amin’ny gazetiboky izay miresaka momba ireo zavatra niainan’ireo mpikambana hafa. Ireo lahatsoratra ireo dia manampy ahy hatrany hahita fankaherezena ara-panahy sy hanavao ny faniriako hiverina eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy miaraka amin’ny fianakaviako.

João Carlos, Brésil