2012
Miara-miresaka
Aprily 2012


Miara-miresaka

Indreto misy sosokevitra vitsivitsy mba hahafahanao manatanteraka ny “fotoana hifampiresahana” eo amin’ ny fianakavianao:

  • Angataho ny ray aman-dreninao mba hanokana minitra vitsivitsy isan’ andro mba hifampiresahan’ ny fianakavianao. Mety ho mandritra ny fotoana fisakafoanana izany na amin’ ny fotoana iray hafa ao anatin’ ny andro iray.

  • Ataovy izay ifandimbiasan’ ny rehetra miteny sy mihaino. Ampandraiso anjara ny rehetra!

  • Hajao ny hevitr’ ireo olona ao amin’ ny fianakavianao. Ataovy izay hahatsapan’ ny rehetra fa manan-danja izay lazainy.

Kilalao Mifono Fifampiresahana

Mila hevitra vitsivitsy ve ianao ho an’ ny fotoana hifampiresahana? Andramo ireto kilalao ireto:

Fanipazana zavatra malemilemy: Raha toa ka maro ny olona ao amin’ ny fianakavianao na sahirana ianareo eo amin’ ny fifandimbiasana miresaka dia mampiasà zavatra malemilemy izay atsipy mba hahafantarana hoe anjaran’ iza no miteny izao. Aorian’ ny fitenenan’ ilay olona iray mihazona ilay zavatra malemilemy izay tiany ho ambara dia anjarany indray ny manipy izany any amin’ ny olona iray hafa ao amin’ ny fianakaviana.

Mpanao fanadihadiana: Mizarà ho tsiroaroa ary mifandiambiasa manao toy ireny hoe mpanao fanadihadiana ireny. Mieritrereta fanontaniana vitsivitsy ho apetraka amin’ ilay namanao ary apetraho aminy izany fanontaniana izany avy eo. Afaka mampiasa mikrôfônina tena izy mihitsy ianao na vata fandraisam-peo mandritra ny fanadihadiana ataonao.

Inona no hataonao? Mifandimbiasa mametraka fanontaniana samihafa amin’ ny fianakavianao izay miantomboka amin’ ny hoe: “Inona no hataonao … ?” Ohatra sasantsasany amin’ izany ny hoe: “Inona no hataonao raha very ianao?” ary “Inona no hataonao raha afaka mandeha na aiza na aiza eto amin’ izao tontolo izao ianao?”

Fanampiana ho an’ ireo Ray aman-dreny: Fotoana ihaonana amin’ ny Tsirairay

Na dia mahafinaritra tokoa aza ny miresaka miaraka amin’ ny maha-fianakaviana dia zava-dehibe koa ho an’ ny ray aman-dreny sy zanaka ny manokana fotoana hiresahana mitsitokantokana. Araraoty ireo fotoana ao anatin’ ny andro iray mba hihaonana manokana amin’ ireo zanakao tsirairay. Manasà zanaka iray isaky ny mandeha mba hanampy anao hanao raharaha ao an-tokantrano, na hiaraka handehandeha aminao na hiresadresaka aminao ao amin’ ny efitranonao mandritra ny minitra vitsivitsy. Fotoana fohy monja dia efa afaka mitondra any amin’ ny resadresaka manan-danja.