2012
Manehoa Fitiavana, Fikarakarana ary Fampahatanjahana
Aprily 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Manehoa Fitiavana, Fikarakarana ary Fampahatanjahana

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ireo mpamangy isan-tokantrano dia manompo tsirairay toy ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 11:15). Fantatsika fa mahomby isika ao anatin’ilay asa fanompoana ataontsika amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika rehefa afaka miteny ny rahavavintsika hoe: (1) Manampy ahy hivoatra ara-panahy ny mpamangy isan-tokantranoko; (2) Fantatro fa miahy lalina ahy sy ny fianakaviako ny mpamangy isan-tokantranoko; ary (3) rehefa manana olana aho dia fantatro fa ny mpamangy isan-tokantranoko dia handray andraikitra fa tsy miandry angatahana.1

Ahoana no ahafahantsika mpamangy isan-tokantrano mitia sy mikarakara ary mampatanjaka rahavavy iray? Ireto manaraka ireto dia torohevitra hita ao amin’ny toko faha-7 ao amin’ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (Ireo Zanakavavin’ny Fanjakako: Tantara sy Asan’ny Fikambanana Ifanampiana) mba hanampiana ireo mpamangy isan-tokantrano hanompo ireo rahavaviny:

  • Mivavaka isan’andro ho azy sy ny fianakaviany.

  • Mikatsaka fitaomam-panahy mba hahafantatra azy sy ny fianakaviany.

  • Mamangy tsy tapaka azy mba hahafantarana hoe manao ahoana izy ary mba hampaherezana sy hanomezana hery azy.

  • Manana fifandraisana matetika aminy amin’ny alalan’ny famangiana, fiantsoana amin’ny telefaonina, fandefasana taratasy sy e-mail ary hafatra amin’ny telefaonina, ary amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra maneho hatsaram-panahy.

  • Miarahaba azy rehefa any amin’ny fivoriam-piangonana.

  • Manampy azy rehefa tratran’ny voina tampoka na marary, na mila fanampiana hafa haingana.

  • Mampianatra azy ny filazantsara avy amin’ny soratra masina ary avy amin’ireo Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano.

  • Manentana ny fanahiny amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra tsara.

  • Manao tatitra any amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mikasika ny asa nataon’izy ireo sy mikasika ny toe-piainan’ilay rahavavy ara-panahy sy ara-nofo.

Avy amin’ny Soratra Masina

Lioka 10:38–39; 3 Nefia 11:23–26; 27:21

Avy amin’ny Tantarantsika

“Ny famangiana isan-tokantrano dia lasa fitaovana ho an’ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany maneran-tany mba hanehoana fitiavana sy hikarakarana ary hanompoana—mba ‘hanaovana asa mifanaraka amin’ ilay fangorahana izay nambolen’ Andriamanitra ao anatin[tsika],’ araka ny nampianarin’i Joseph Smith.”2

Nisy rahavavy iray izay maty vady vao haingana nilaza zavatra momba ireo mpamangy isan-tokantranony hoe: “Nihaino ahy izy ireo. Nampahery ahy izy ireo. Niara-nitomany tamiko izy ireo. Ary namihina ahy izy ireo. … Nampian’[izy ireo] aho mba ho tafavoaka tamin’ilay hakiviana sy harerahan-tsaina amam-panahy tao anatin’ireo volana vitsivitsy voalohany naha-irery ahy.”3

Ny fanampiana eo amin’ny lafiny ara-nofo koa dia endrika irain’ny asa fanompoana. Tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana tamin’ny Ôktôbra 1856, dia nanambara ny Filoha Brigham Young fa nisy sarety tarihin-tanana izay an’ireo mpisava lalana tafahitsoka tao anaty ranomandry lalina any amin’ny 435–595 km lavitra any. Niantso ireo Olomasin’ny Andro Farany tao Salt Lake City izy mba hanampy azy ireo sy “hifantoka amin’ny fomba hentitra amin’ ireo zavatra izay antsointsika hoe ara-nofo.”4

I Lucy Meserve Smith dia nirakitra an-tsoratra fa nesorin’ ireo vehivavy teo noho eo ihany tao amin’ny tabernakely ireo atin’akanjo sy ny ba mafana teny amin’izy ireo ary navangongo tao anatin’ireo sarety mba halefa any amin’ireo mpisava lalana matin’ny hatsiaka. Dia nanangona lamba firakotra sy akanjo izy ireo ho an’ireo izay ho avy miaraka amin’ireo fananana kely amin’ny farany. Rehefa tonga ireo vondron’olona nandeha tamin’ny sarety tarihin-tanana dia nisy tranobe iray teo an-tanàna izay “feno sakafo sy kojakoja noteherizina ho azy ireo.”5

Fanamarihana

  1. Jereo ny Julie B. Beck, “Ireo Zavatra Antenaiko mba ho Takatr’ireo Zafikeliko Vavy (sy Lahy) momba ny Fikambanana Ifanampiana,” Liahona, Nôv. 2011, 113.

  2. Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 112.

  3. Daughters in My Kingdom, 119–20.

  4. Brigham Young, “Remarks,” Deseret News, 15 Ôkt. 1856, 252.

  5. Jereo ny Daughters in My Kingdom, 36–37.

Tsirairay, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana tamin’ny Tranom-bakoky ny Tantaran’ny Fiangonana.