2012
Fotoana Hifampiresahana
Aprily 2012


Fotoana Hifampiresahana

“Hanaja ny ray aman-dreniko aho ary hanao ny anjarako amin’ ny fanamafisan’ orina ny fianakaviako” (Mes Principes de l’ Evangile).

Eny ary! Handeha hifampiresaka isika,” hoy i Neny niantso.

Efa tsy andrin’ i Josie ny hitrangan’ ny fotoana hifampiresahana nandritra ny andro manontolo. Isaky ny hariva dia mivory ao amin’ ny efitrano fandraisam-bahiny i Josie sy ireo anadahiny kely roalahy, Ben sy i Wes, miaraka amin’ i Neny sy i Dada mba hiresaka mikasika ny zavatra izay mitranga eo amin’ ny fiainan’ izy ireo.

Anio hariva dia nilaza i Dada fa hanampy an’ i Josie amin’ ny lahatsoratra soratany mikasika ireo filazana samihafa isa-maraina. Tombontsoa miavaka ho an’ i Josie ny famakiana ny filazana samihafa isa-maraina ao an-tsekoliny. Handefa ny ampahan’ ny hira tiany indrindra amin’ ny fandefasam-peon’ ny sekoly i Josie rahampitso ary hampiasa ny mikrôfônina mba hanaovany filazana samihafa mikasika ireo zavatra atao amin’ izany andro izany sy ny sakafo amin’ ny atoandro.

Nihazakazaka nankao amin’ ny efitrano fandraisam-bahiny i Josie, sady feno fientanentanana hamerimberina ny lahatsorany.

“Inty eto ny mpanao filazana samihafa malaza!” hoy i Dada raha hipetraka teo akaikiny iny i Josie. “Manao ahoana ny fihetseham-ponao mikasika ny rahampitso?”

“Tena feno fientanentanana aho kanefa somary matahotahotra koa. Matahotra aho sao handiso zavatra eo anatrehan’ ny olon-drehetra ao an-tsekoly,” hoy i Josie.

“Izany indrindra no hanaovantsika famerenana,” hoy i Dada. “Alefaso ary! Vakio manontolo ilay lahatsoratra dia ho hitako eo hoe aiza no misy azo hatsaraina.”

“Misaotra betsaka ry Dada!” hoy i Josie.

Namerina nijery ilay lahatsoratra imbetsaka izy sy i Dada ka tsy voaisan’ i Josie intsony hoe impiry no nanao izany izy ireo. Dia nitsangana avy eo i Josie mba hamaky farany ilay lahatsoratra eo anatrehan’ ny fianakaviany. Faly i Neny sy i Dada. Nataon’ i Ben peo ny dimy izy ary nitsiky kosa i Wes sy nitehaka.

Faly sy nanana fahatokiana i Josie nandeha natory.

Nandeha tsara ny zava-drehetra ny ampitson’ iny. Na dia somary nitebiteby aza izy dia nitsiky i Josie rehefa nandre ny hirany nalefa tamin’ ny fandefasam-peon’ ny sekoly. Faly izy fa afaka namerimberina ilay lahatsoratra niaraka tamin’ i Dada, ary namaky izany miadana tsara sady tsy nisy diso.

“Tena nety be ny nataonao,” hoy Ramatoa Blake, izay mpanampy ny talen-tsekoly.

Nilahatra handray ny fiara fitateram-bahoaka i Josie rehefa nirava ny sekoly tamin’ io andro io. Nisy tovolahy lehibebe kokoa noho izy nitodika ary nanontany hoe: “Ianao ve ilay namaky ny filazana samihafa androany?”

Nitsiky i Josie. “Eny,” hoy izy.

“Naninona no iny no hira nosafidianao?” hoy ilay tovolahy nanontany. “Ratsy be iny hira iny. Tena nanimba ny filazana samihafa isa-maraina ianao.” Dia naratsiratsiany izy avy teo sady nihomehezan’ izy sy ny namany.

Nipetraka irery teny amin’ ny seza aloha i Josie tao anatin’ ny fiara fitateram-bahoaka. Narary hatramin’ ny kibony.

Rehefa tonga tao an-trano i Josie dia nahita an’ i Neny nilalao niaraka tamin’ i Wes.

“Neny a! Fantatro fa tsy fotoana fifampiresahana izao kanefa sao dia mba afaka miresaka ihany ianao izao,” hoy i Josie.

“Mazava ho azy!” hoy i Neny. “Fa misy inona?” Nisy zavatra tsy nety angaha tamin’ ny filazana samihafa isa-maraina?”

“Tsia,” hoy i Josie. “Nety tsara daholo ny zava-drehetra. Izay foana tokoa no tao an-tsaiko raha tsy nisy ankizilahy iray nilaza tamiko hoe ratsy ilay hira nofidiako. Dia naratsiratsiany koa aho.”

Nokapokapohin’ i Neny tsimoramora ny gorodona teo akaikiny. Nanatona i Josie ary nipetraka teo. Nofihinin’ i Neny izy. Niresaka momba ny zavatra rehetra nitranga tamin’ izany andro izany i Josie sy i Neny, ka tao anatin’ izany ny fanehoan-dRamatoa Blake fankasitrahana.

“Malahelo aho fa naneho haratsian-toetra taminao izany tovolahy izany sy ireo namany,” hoy i Neny. “Kanefa ireo olona hafa izay hajainao toa an-dRamatoa Blake, dia tena faly tamin’ ny fomba namakianao ny filazana samihafa. Izaho sy i Dada aloha dia tena mirehareha tamin’ ny zavatra nataonao. Niasa mafy ianao ary nisy vokany tsara izany!”

Nofihinin’ i Josie indray i Neny. “Misaotra betsaka ry Neny a!” hoy i Josie. “Azoko kokoa ny aiko izao.” Faly i Josie fa azo atao hoe fotoana hifampiresahana ny fotoana rehetra.

Sary nataon’ i Jared Beckstrand