2012
Mampianatra Ahy Hisafidy ny Tsara i Jesoa Kristy
Aprily 2012


Mitondra ny Kilonga Mody

Mampianatra Ahy Hisafidy ny Tsara i Jesoa Kristy

Azonao ampiasaina ity lesona sy asa atao ity hianarana bebe kokoa mikasika ny tarigetran’ ny Kilonga amin’ ity volana ity.

Tsy hitovy amin’ ny isan-taona ity Paska ity ho an’ i Tanner. Nodimandry ny dadabeny ka dia nalahelo i Tanner fa tsy afaka ny hiaraka aminy intsony amin’ izany fotoana tena miavaka izany.

Kanefa nandritra ny Kilonga dia nampahatsiahivina an’ i Tanner fa ny antony hankalazantsika ny Paska dia satria velona i Jesoa! Rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy dia niverina nikambana mandrakizay tamin’ ny vatany ny fanahiny, ary tsy ho faty intsony. Nianatra i Tanner fa noho ny fitsanganan’ i Jesoa tamin’ ny maty dia hitsangana amin’ ny maty daholo ny olon-drehetra ary isan’ izany ny dadabeny!

Nameno fifaliana an’ i Tanner ny hiran’ ny Paska iray rehefa nihira izy hoe: “Nitsangana i Jesoa, ilay Jesoa namantsika. Heniky ny fifaliana ny foko, satria velona indray Izy.”1 Te-hizara izany vaovao mahafaly izany amin’ ny olon-drehetra i Tanner. Nanapa-kevitra izy fa alohan’ ny Paska dia hizara fehezam-boninkazo kely miaraka amin’ ny soratra masina miresaka momba ny fitsanganan’ i Jesoa tamin’ ny maty amin’ ireo mpifanolobodirindrina aminy. Nalainy sary an-tsaina ny tsiky eo amin’ ny tarehin’ izy ireo rehefa mahita ilay fanomezana nomeny ny marainan’ ny Paska.

Fanamarihana

  1. “Jésus est ressuscité,” Chants pour les enfants, 44.