2012
Fahasoavana Mahagaga
Aprily 2012


Miresaka an’i Kristy Isika

Fahasoavana Mahagaga

Miantehitra amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy aho isan’andro.

“Tsy dia miresaka matetika momba ny fahasoavana isika mandritra ireo fivoriam-piangonantsika,” hoy ilay mpampianatra finoana ahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, “saingy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia tena mino ny fahasoavana isika.”

Tena tsy dia mahatadidy loatra lesona mikasika ny fahasoavana natao tao amin’ny Zatovovavy na Sekoly Alahady aho, saingy niverina tato an-tsaiko ilay amboarampeo tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa nianarako izay nihira ilay hoe: “Amazing Grace” (Fahasoavana Mahagaga).

Fahasoavana mahagaga! (tena mamy ny maheno izany!)

No nanavotra olona ratsy toetra toa ahy!

Efa very nefa hita indray;

Jamba nefa mahita aho izao.1

“Ny fahasoavana dia herin’Andriamanitra avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” araka ny fanazavan’ilay mpampianatra ahy. “Zaraiko ho hery efatra ny fahasoavana: fitsanganana amin’ny maty, fanavotana, fanasitranana ary fampaherezana.” Notohizany tamin’ny fanazavana ny hery tsirairay izany, saingy niverina tany amin’ireo fahatsiarovako indray ny saiko.

Izany amboarampeo tao amin’ilay sekoly ambaratonga faharoa izany koa dia nandeha nanao dia tany Californie, Etats-Unis indray mandeha mba hifaninana tao anatin’ny fifaninanana mozika iray. Narary aho fotoana fohy talohan’ny nandehanana ary ilay tendako narary dia nidika hoe tsy afaka ny hihira aho mandritra ilay fifaninanana—na raha hihira aho dia zara raha hihira miaraka amin’ilay fanaintainako. Nangataka tsodranon’ny fisoronana tamin’ny raiko aho ary nanokana ny andro manaraka mba hivavahana hahazoana fahasitranana.

Angamba tsy dia takatro tanteraka tamin’izay fa rehefa nihira ny “Amazing Grace” (Fahasoavana Mahagaga) niaraka tamin’ilay tenda sitrana aho nandritra ilay fifaninanana, dia nihira mikasika ilay tena hery nanasitrana ahy iray andro talohan’ izany. Nitahy ahy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy tamin’izay andro izay. Loharanon’ny fahasitranako ny fahasoavany.

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny Olony Izy” (Almà 7:11).

Taorian’ny sekoly ambaratonga faharoa, toy ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany rehetra dia sahirana tamin’ny fianarako tany amin’ny oniversite aho sy ireo olana amin’ny fipetrahana lavitra ny trano fonenana no sady mipetraka koa miaraka amin’ny mpiray efitrano miisa dimy.

Izany dia tamin’ny fotoana nianarako nahatakatra ilay herin’ny fahasoavan’i Kristy izay mitondra tanjaka sy fanampiana. Nandany ny fotoanako tamin’ny fiasana sy ny fandalinana aho saingy niantehitra tamin’ny vavaka atao isan’andro, ka tao anatin’izany no nitalahoako tamin’ny Ray any an-danitra ny mba hanomezany ahy fahaiza-manao hanatanterahana ireo andraikitra ilaina. Rehefa nandeha ny taom-pianarana dia nahita tamim-pifaliana aho fa rehefa niaraka tamin’ilay herin’ny fahasoavan’i Kristy izay mitondra tanjaka sy fanampiana, dia afaka nanao izay tokony hatao aho, tsy hoe araka ny tokony ho izy fotsiny fa tsy nisy olana mihitsy koa.

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Na dia tsy maintsy mbola hiaina ireo lafin-javatra roa hafa ao amin’ny fahasoavany aza aho—ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fahafenoan’ny fanavotana—dia mbola miankina amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isan’andro. Ny fahasoavana, izay herin’Andriamanitra avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia nanasitrana sy nampahery ahy. Rehefa miezaka mankatò ny didin’Andriamanitra aho ary manaraka ny sitrapony, dia mahazo hery avy any an-danitra izay mihoatra lavitra an’ilay fahaiza-manao manokana ananako.

“Noho ny fahasoavany no hamonjeny antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23).

Fanamarihana

  1. John Newton, “Amazing Grace,” Olney Hymns (1779), no. 41.

Sary nataon’i Ash Ram