2012
Filankevitry ny Paroasy Manao ny Asany
Aprily 2012


Filankevitry ny Paroasy Manao ny Asany

Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mampiasa ny filankevitry ny paroasy na sampana mba hitahiana ny fiainan’ireo izay sahirana.

Tamin’ny alin’ny 22 Mey 2011, tao anatin’ny feo ratsin’ny anjombona no nisian’ny tafiodrivotra mahery vaika namely ny faritra afovoan’i Joplin, Missouri, Etats-Unis, ka nandringana trano sy aina. Ny Paroasy Voalohan’i Joplin dia voa mafy nandritra izany tafiodrivotra izany, saingy teo no ho eo ihany ny Eveka Chris Hoffman sy ny filankevitry ny paroasy dia nanomboka nanao izay hiarovana ireo mpikambana tao amin’ny paroasy.

“Efa nanana drafitra hiatrehana izany izahay satria efa niresaka momba ireo fiomanana ireo nandritra ny filankevitry ny paroasy talohan’ny nitrangan’izany,” hoy izy. “Niantehitra tamin’ny Fanahy koa izahay mba hahafantarana izay tokony hatao. Tapaka ny tariby mitondra ny herinaratra. Tsy nandeha ny finday. Nivavaka izahay sy nihaino ny valiny ary dia tonga izy ireo—tonga foana izy ireo. Mahafaly amin’ny maha-eveka ahy ny maheno mpikambana milaza hoe: ‘Ity no zavatra nataoko,’ toy izay hoe: ‘Inona no tianao hataoko?’”

Ny valiny azo tao Joplin dia mampiseho ny herin’ny filankevitry paroasy iray miray hina. “Ny filankevitry ny paroasy dia iray amin’ireo fivoriana tena manan-danja ato amin’ny Fiangonana,” araka ny nosoratan’ny Loholona M. Russell Ballard avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “satria ny kôlejin’ny fisoronana sy ireo mpitarika ao amin’ny vondrona fanampiny dia afaka mifanakalo hevitra sy manao drafitra miaraka amin’ny episkôpà. … Raha jerena ireo filankevitra sy kaomity rehetra ao amin’ny Fiangonana, dia mino aho fa ny filankevitry ny paroasy no afaka manana fiantraikany lehibe indrindra eo amin’ny fanampiana ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra.”1

Nampiraisin’ny Fitiavana sy ny Finoana

Tany Puerto Francisco de Orellana izay tanàna iray mitoka-monina any amin’ny ala mikitrok’i Équateur, dia misy mpikambana izay mifamatotra mafy ao amin’ny fitiavana sy ny finoana. Ny filankevitry ny sampana fanao isam-bolana dia maneho ny fifampiahian’izy ireo. Mifantoka amin’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana izy ireo aloha dia avy eo mijery hoe ahoana no ahafahan’ireo fandaharan’asa mitondra fanampiana. Manaraka avy eo ny fanentanam-panahy.

Maro ireo mpikambana mila fanampiana eo amin’ny fitadiavana asa. Ny filankevitry ny sampana dia mahita fa ireo olan’ny mpikambana dia azo vahana eo an-toerana. Raha niresaka momba ny zavatra ilain’ny reny tokan-tena iray izay manan-janaka vavy kely iray manana olana ara-pahasalamana ny filankevitra, dia nahafantatra asa iray ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana izay azon’ilay reny atao nefa mbola afaka manakaiky ny zanany vavy ihany izy.

Ny filankevitry ny sampana koa dia mampiasa ireo loharanon’ny Fiangonana toy ny fitaovana ampiasaina ao anatin’ny fanofanana momba ny fitadiavana asa ao amin’ny Sampana Mpitondra Fanampiana momba ny Asa izay an’ny Olomasin’ny Andro Farany.2 Nanokatra kilasy iray nampianarin’ny mpikambana iray tao amin’ny sampana izy ireo, izay nanampy mpikambana iray hafa mba hahita asa tsara kokoa.

I Ramiro Reyes izay mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny sampana dia milaza izao mikasika ny filankevitry ny sampana: “Isika dia fitaovana eo an-tanan’ny Tompo. Hanatanteraka ny tanjony amin’ny alalan’ny asa ataontsika Izy.”

Lalana iray mankany amin’ny Tempoly

Nanatrika ny fivoriana filankevitry ny paroasy amin’ny maha-filohan’ny Kilonga azy i Melissa Fisk tany Liverpool, New York, Etats-Unis, ary nihanahatakatra ny herin’izany izy. Rehefa naka ny kahie fanoratany tao anatin’ny poketrany izy dia sendran’ilay sarin’ny ankizin’ny Kilonga miisa 28 teo amin’ny tohatry ny Tempolin’i New York. Feno tsindron’ny takolapanenitra ny ankizy rehetra. Nanala ny sainy tao anatin’ny fivoriana nandritra ny fotoana fohy ilay sary ary nieritreritra kely an’ilay andro izay nandehanan’ny Kilongan’ny sampana tany Palmyra izy mba hianoka an’ilay fahatsapana masina raisina eo amin’ny tokotanin’ny tempoly. Indrisy anefa fa rehefa namelatra ny bodofotsiny ny ankizy dia nahatezitra tsy nahy ny tranon’ny takolapanenitra iray.

Rehefa avy nokarakaraina daholo ny rehetra, dia nanasa ny ankizy mba hikasika ny tempoly ireo mpitarika. Nandà izany ireo ankizy satria natahotra izy ireo sao hisy takolapanenitra bebe kokoa. Noho izany dia nilahatra ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ary namorona lalana nitondra tany amin’ny tempoly. Nanome herim-po ny ankizy mba handroso izany.

Rehefa namerina ny sainy tany amin’ny fivoriana filankevitry ny paroasy i Melissa dia nieritreritra hoe: “Raha izao mantsy no mba voahodidin’ny namana sy mpitarika be fitiavana toy izany ny olona rehetra rehefa mandroso mankany amin’ny tempoly izy ireo.”

Tapaka teo ny eritreritriny rehefa nandre ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana niresaka momba ny zavatra ilain’ny rahavavy iray izy: “Tsy niangona izy tamin’ny Alahady. Ataoko izay hampahafantaran’ireo mpamangy isan-tokantrano mamangy azy momba ilay dia mankany amin’ny tempoly atsy ho atsy.”

“Manana olana sarotra vitsivitsy izy ireo amin’izao fotoana izao,” hoy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona nanampy. “Hiresaka amin’ny mpampianatra isan-tokantrano mikarakara azy ireo aho ary hijery raha toa ka misy zavatra azontsika atao.”

“Afaka manampy amin’ny fitaizana zaza ny zatovovavy,” hoy ny filohan’ny Zatovovavy.

Rehefa nijery ny endrik’ireo mpikambana tao amin’ny filankevitry ny paroasy i Melissa dia nahita fanehoana fitiavana sy fiahiana tena avy amin’ny fo. Nisy tsiky nandravaka ny endriny. Nieritreritra izy hoe: “Ny Tompo dia nanomana fomba mba hiarovana sy hitiavana ny zanany.” “Ny filankevitry ny paroasy!”

Toy ny tany Joplin, Puerto Francisco de Orellana sy Liverpool dia manohy mahita ireo fitahiana avy amin’ny filankevitry ny paroasy sy ny sampana ireo mpitarika maneran-tany. Rehefa hitan’izy ireo izany dia hahazo ilay hery mahagagan’ireo filankevitra ireo izy ireo mba hanampiana ny Tompo hitahy ny zanany ary hanatanteraka ny asany.

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, Counseling with Our Councils: Learning to Minister Together in the Church and in the Family (1997), 102.

  2. The Career Workshop Participant’s Workbook (item no. 35163) dia hita ao amin’ny store.lds.org, na ao amin’ny Foibe Fanapariahana na ny foiben’ny Fiangonana misahana ny fanampiana amin’ny asa.

An-kavia: sary nataon’i Craig Dimond

An-kavia: sary nataon’i Joshua J. Perkey