2012
Mahita ny Fifaliana avy amin’ ny Paska
Aprily 2012


Mahita ny Fifaliana avy amin’ ny Paska

  1. Tiako ny fofom-boninkazo!

    Tsara endrika ery izy ireo!

  2. Moa ve mientanentana hiatrika ny Paska ny rehetra?

    Eo ho eo ihany.

    Tsy tena izany.

  3. Nieritreritra aho hoe ianareo roa dia nankafy ny fotoam-pialan-tsasatra.

    Mankafy izany izahay ka! Ny fotoam-pialan-tsasatra tiako indrindra dia ny Krismasy.

    Izany koa no tena tiako! Tiako ny mahazo fanomezana.

  4. Nahoana ianareo no tsy mba mientanentana rehefa Paska?

    Ka andro mampalahelo ny Paska. Momba ny fotoana nahafatesan’ i Jesoa izany.

  5. Tsaroanareo ve ny zava-nitranga tamin’ ny Alahadin’ ny Paska?

  6. Haiko! Velona indray i Jesoa!

    Ary afaka ny ho velona indray koa isika.

  7. Marina izany! Fotoam-pialan-tsasatra mahafinaritra ny Paska izay ankalazana ny Fitsanganan’ i Jesoa tamin’ ny maty.

  8. Tiako ny Paska.

    Izaho koa.

Sary nataon’ i Jed Henry