2012
Nanapatapaka ny Famatoran’ ny Fahafatesana Izy
Aprily 2012


Nanapatapaka ny Famatoran’ ny Fahafatesana Izy

Sary
Loholona Patrick Kearon

“Toy izany no ananany fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Kristy izay efa nanapatapaka ny famatoran’ ny fahafatesana” (Môsià 15:23).

Indray alina fony mbola kely ny zanakay dia nanatanteraka ny fotoam-pamakian’ ny mpianakavy ny soratra masina izahay. Namaky mikasika ny Mpamonjy izahay ary niresaka momba ny hoe tsy nanao hadisoana mihitsy Izy.

Rehefa alinalina tamin’ io andro io dia nandeha nampatory an’ i Susie, ilay zanakay vavy telo taona, ny vadiko. Nijery ny reniny i Susie sady niteny hoe: “Neny a! Nisy fahadisoana iray ihany nataon’ i Jesoa.”

“Inona no tianao holazaina?” hoy ny reniny nanontany.

“Nanapatapaka zavatra iray Izy,” hoy i Susie.

Gaga ny reniny no sady nanontany hoe: “Inona no zavatra notapatapahiny?”

“Nanapatapaka ny famatoran’ ny fahafatesana i Jesoa,” hoy ny valintenin’ i Susie.

Teo vao tadidin’ ny vadiko fa nihira ny hiran’ ny Kilonga manao hoe: “Par un beau printemps doré (Tamin’ ny Lohataona Iray Mamirapiratra)” imbetsaka izy mianaka ary nianaran’ i Susie tao anatin’ izany ilay tonony manao hoe: “Tamin’ ilay lohataona mamirapiratra, no nitsanganan’ i Jesoa Kristy ary nivoahany ny fasana izay nitoerany; nanapatapahany ny famatoran’ ny fahafatesana.”1 Nazavain’ ny renin’ i Susie fa ny fanapatapahana ny famatoran’ ny fahafatesana dia midika fa nitsangana tamin’ ny maty i Jesoa mba hahafahantsika rehetra miaina indray aorian’ ny fahafatesantsika.

Nanome fahafahana ho ahy sy ny vadiko hampianatra ireo zanakay vavy, Lizzie, Susie, ary i Emma, mikasika ny tena dikan’ ny Sorompanavotana ho antsika tsirairay avy izany resaka izany. Marina ny an’ i Susie: Nanapatapaka ny famatoran’ ny fahafatesana tokoa i Jesoa. Kanefa tsy hadisoana izany. Izany no fanomezana lehibe indrindra izay azony natolotra ho antsika! (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.)

Maty ary nitsangana tamin’ ny maty ny Mpamonjy mba hahafahantsika miara-miaina amin’ ny Raintsika any an-danitra indray sy amin’ ireo fianakaviantsika arakaraky ny fahamarinan-toetrantsika. Raha mendrika isika dia afaka mahazo ireo fitahian’ ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay indray andro any. Feno fankasitrahana aho fa nanapatapaka zavatra iray i Jesoa—dia ny famatoran’ ny fahafatesana!

Fanamarihana

  1. “Par un beau printemps doré,” Chants pour les enfants, 57.

An-kavanana: sary nataon’ i Dilleen Marsh