2012
Mes Principes de l’ Evangile (Ireo fitsipiky ny filazantsarako)
Aprily 2012


Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako

Hanaraka ny drafitry ny Ray any an-danitra ho ahy aho.

Hotsaroako ny fanekempihavanana nataoko tamin’ ny batisa ary hihaino ny Fanahy Masina aho.

Hisafidy ny marina aho. Fantatro fa afaka mibebaka aho rehefa manao hadisoana.

Ho marin-toetra aho amin’ ny Ray any an-danitra sy ny olon-kafa ary amin’ ny tenako.

Ho ampiasaiko amim-panajana ny anaran’ ny Ray any an-danitra sy ny an’ i Jesoa Kristy. Tsy hianiana aho na hiteny ratsy.

Hanao ireo zavatra amin’ ny Sabata izay hanampy ahy ho akaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

Hanaja ny ray aman-dreniko aho ary hanao ny anjarako eo amin’ ny fanamafisana orina ny fianakaviako.

Hotazoniko ho madio ny eritreritro sy ny vatako ary tsy handray zavatra izay mety hanimba ahy aho.

Hanao fiakanjo maotina aho mba hanehoako ny fanajako ny Ray any an-danitra sy ny tenako.

Tsy hamaky ary tsy hijery afa-tsy ireo zavatra izay ankasitrahin’ ny Ray any an-danitra aho.

Tsy hihaino mozika afa-tsy izay ankasitrahan’ ny Ray any an-danitra ihany aho.

Hitady namana tsara aho ary hitondra ny olona hafa amin-katsaram-panahy aho.

Hiaina amim-pahamendrehana aho ankehitriny mba ho mendrika ny handeha ho any amin’ ny tempoly sy hanao ny anjarako mba hananana fianakaviana mandrakizay.

Zanaky ny Ray Aho

Fantatro fa tia ahy ny Ray any an-danitra ary tiako koa Izy.

Afaka mivavaka amin’ ny Ray any an-danitra aho amin’ ny fotoana rehetra sy any amin’ ny toerana rehetra.

Miezaka ny hahatsiaro sy hanaraka an’ i Jesoa Kristy aho.