2012
Mpirahavavy amin’ ny Anarana sy amin’ ny Finoana
Aprily 2012


Mpirahavavy amin’ ny Anarana sy amin’ ny Finoana

Tsy vitan’ ny hoe mpirahavavy fotsiny i Maria sy i Diana D. fa mpinamana be ihany koa. 10 taona i Diana ary vao feno 12 taona tamin’ ny Aogositra farany teo i Maria. Mipetraka any Romania izy ireo, izay toerana ahitana mpikamban’ ny Fiangonana miisa 3.000 eo ho eo. Manao izay hahamafy orina ny finoan’ izy ireo an’ i Jesoa Kristy izy ireo amin’ ny alalan’ ny fandehanana any am-piangonana, sy ny famakiana ny soratra masina ary ny fivavahana.

“Nianatra ny nanana finoana an’ Andriamanitra aho tany am-piangonana,” hoy i Maria. Indray andro dia nanao fitsapam-pahaizana izy ary nivavaka tamin’ ny Ray any an-danitra tamin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy mba hahazo fanampiana. Rehefa nahazo naoty tsara izy dia nahatsapa fa nanampy azy ny Ray any an-danitra.

Milaza i Diana fa manampy azy hanana finoana ny Bokin’ i Môrmôna. “Isaky ny mamaky ny Bokin’ i Môrmôna aho isan’ andro dia tsara foana ny androko,” hoy izy. Ny tantara tiany indrindra avy ao amin’ ny soratra masina dia ny tantaran’ i Joseph Smith. “Nivavaka izy ary dia nanampy azy Andriamanitra sy i Jesoa Kristy,” hoy izy.

Sôkôlà

Ny tsindrin-tsakafo tena tian’ izy roa vavy indrindra dia ny sôkôlà: tia brownies i Maria ary tia mofomamy vita amin’ ny sôkôlà kosa i Diana.

Hira Tiana Indrindra

Samy mitendry pianô i Maria sy i Diana. Ny hira tena tian’ i Maria indrindra dia ilay hoe “Aimez vos frères.” Mikasika ny didin’ i Jesoa mba ho tia ny hafa izany. Efa kely sisa dia ho hain’ i Diana tsara ny mitendry izany saingy ilay any amin’ ny farany no sarotra indrindrindra, hoy izy.

Te-Hahita ny Tempoly Aho

Samy maniry ny hanambady any amin’ ny tempoly i Maria sy i Diana indray andro any. Mipetraka amin’ ny faritry ny Distrikan’ ny Tempolin’ i Kiev Ukraine izy ireo.

Rehefa lehibe i Diana dia handeha ho any amin’ ny Tempolin’ i Kiev Ukraine mba hanao batisa ho an’ ny maty. Efa ampy taona i Maria ka afaka mandeha manao izany izao. Eo amin’ ny 805 km eo ho eo ny halaviran’ ny tempoly.

Fianakaviana Aloha

Tia ny ray aman-dreniny i Maria sy i Diana. “Ataon’ i Neny izay hahazoanay aina rehefa marary izahay,” hoy i Maria. “Manatitra anay any an-tsekoly i Dada,” hoy i Diana.

Fihirana

Ny fihirana tena tian’ i Diana indrindra dia ny “Tany an-tsahan’ i Jodia,” izay miresaka ny toerana nahaterahan’ i Jesoa. Mampiasa ilay fihiran’ ny Fiangonana miloko maintso ny mpikambana any Romania. Midika hoe: “fihirana” ny “Imnuri” amin’ ny teny Romaniana.

Sarin’ izy mirahavavy nalain’ i Adam C. Olson; sarin’ ny mofomamy sy brownie nataon’ i Thomas S. Child