2012
Ireo Fitahiana avy amin’ny Seminera
Aprily 2012


Ireo Fitahiana avy amin’ny Seminera

Manerana an’izao tontolo izao, ny seminera dia mitondra zatovo toa anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Tsy irery ianao ao anatin’ny fanapahan-kevitrao hanatrika seminera. Manerana an’izao tontolo izao dia zatovo an’arivorivony no mandray ny seminera ho toy ny ampahan-javatra iray ao anatin’ny fiainany ka mamonjy ny toeram-pianarany amin’ny alalan’ny fiara fitateram-bahoaka, na lakana kely na bisikileta na amin’ny alalan’ny zavatra maro hafa. Misy ireo zatovo sasany izay mifoha maraina be ary manao dia lavitra mba hahatongavana ara-potoana. Ny hafa kosa manao izany dia izany isan-kariva ary mbola misy mianatra ao an-trano mandritra ny andro maro ao anatin’ny herinandro.

Mitaky fahafoizan-tena ny fanatrehana ny seminera, saingy ireo zatovo manerana an’ izao tontolo izao dia mahita fa mendrika ny hanaovana ny ezaka rehetra ny fandraisana anjara amin’ny seminera. Ary ireo izay mandray anjara dia manana zavatra iraisana: ny zavatra iainan’izy ireo any amin’ny seminera dia mitondra azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy ny Raintsika any an-danitra.

Mahazo ireo Fitahiana Nampanantenaina

Nahoana no zava-dehibe ho anao ny seminera? Ny antony sasany dia ahitana ireto fampanantenana avy amin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany ireto:

  • Ho “lasa fitahiana avy amin’Andriamanitra ho famonjena an’ilay Isiraely amin’izao fotoana izao izany ao anatin’ny fotoana tena manahirana.”1

  • “Hanomana anao hizara ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ ireo olona izay mihaona aminao izany.”2

  • Hanampy anao “hahazo fahatakarana lehibe ny fahamarinana izany.”3

  • Ny seminera dia “manome fahafahana lehibe hianarana ireo fotopampianarana izay hahatonga anao ho faly. Manome fahafahana lehibe hifanerasera amin’ireo izay tahaka anao izany.”4

  • “Hitombo ny fahalalanao ny filazantsara. Hatanjaka ny finoanao. Hivelatra ny fifandraisanao sy ny finamananao amin’ny hafa izay hahafinaritra tokoa.”5

  • “Miteraka … firoboroboana ara-panahy izany sy tanjaka ara-toe-tsaina amam-panahy mba hanoherana ny ratsy izay manodidina antsika, ary koa miteraka fitomboana goavana eo amin’ny fahatakarana ny filazantsara.”6

  • “Iray amin’ireo fiomanana tena tsara amin’ny fanaovana asa fitoriana izany.”7

Mitady Fomba Hanatrehana Izany

Ny fanatrehana ny seminera dia matetika midika hoe tsy maintsy manajanona zavatra izay tianao hatao ianao mba hananana fotoana hanatrehana izany. Saingy fahafoizan-tena mendrika ny hatao izany. I Elijah Bugayong avy any Philippines dia nisafidy ny handray izany fanapahan-kevitra izany nandritra ny taona farany nianarany tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Hatramin’izay nianarany tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia faharoa foana ny laharany tao amin’ny kilasy nisy azy. Nanapa-kevitra ny ho lasa voalohany izy mandritra ilay taona farany ianarany ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ary nieritreritra ny tsy hisoratra anarana hanao seminera mihitsy aza.

Indray andro dia niova ny eritreriny. “[Nijery] ny latabatra fianarako aho,” hoy izy. “Nahita boky nivangongo teo akaikin’izany aho dia ireo soratra masina sy ny kahie ary ny bokin’ny seminera fampiasako izany. Nanontany tao anatiko lalina tao aho hoe: “Inona no tena manan-danja indrindra?’”

Hitan’i Elijah tao anatin’ny Matio 6:33 ny valin’ny fanontaniany: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Nanapa-kevitra ny hanatrika amim-pahatokiana ny seminera izy ary hitady fomba hafa handaminana ny fotoanany mba hanaovana ireo asa mifandray amin’ny fianarana any an-tsekoly. Nony nifarana ny taona dia voahosotra ho mpianatra mahay indrindra izy ary nahazo vatsim-pianarana hianarana any amin’ny oniversite mihitsy aza.

I Spencer Douglas avy any Alabama, Etats-Unis dia nanapa-kevitra ny hanajanona ny fanatrehana hetsika ara-tsôsialy sasantsasany mba hahafahany manararaotra tsara ny seminera. Nandritra ny roa taona voalohany nanaovany seminera dia nifoha tamin’ny 4 ora maraina izy mba hanatrika izany ary nandritra ny roa taona farany dia nifoha tamin’ny 5 ora maraina. Nilaza izy hoe: “Tsy afaka nandray anjara tao anatin’ireo hetsika maro atao amin’ny hariva niaraka tamin’ny namako aho satria mila matory aloha. Raha vao tsy manao izany aho dia tsy afaka mandray anjara sy mianatra tsara ny ampitson’iny.” Ho an’i Spencer dia tsy hoe ny fahatongavana any am-pianarana fotsiny no nilaina fa koa ny fisokafan’ny saina sy ny fahavononana hianatra.

Ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Tsy hoe tsara fotsiny akory ny zavatra dia antony ampy hanaovana azy izany. Ny isan’ireo zavatra tsara azontsika atao dia tena mihoatra lavitra amin’ny fotoana misy hanatanterahantsika azy ireo. Misy zavatra sasantsasany izay tsara kokoa noho ny tsara ary ireo zavatra ireo no tokony hifantohan’ny saintsika voalohany eo amin’ny fiainantsika.”8 Torohevitra manan-danja tokony ho tsaroana izany rehefa manapa-kevitra ny fomba hanaovana ho laharam-pahamehana ny seminera ianao ao anatin’ny fandaharam-potoananao.

Miomana Hanao Asao Fitoriana

Ny seminera koa dia toy ny fiomanana lehibe amin’ny asa fitoriana izay ho ataonao—amin’ny maha-mpikambana misiônera anao ankehitriny ary koa raha ho misiônera amin’ny fotoana feno ianao amin’ny hoavy. I Franco Huamán Curinuqui avy any Pérou dia mahafantatra fa ny fandalinany ny soratra masina any amin’ny seminera dia nanampy azy hiomana amin’ilay fanaovany asa fitoriana.

Nilaza izy fa mendrika ny hifohazana amin’ny 4 ora maraina mba hanaovana seminera izany fiomanana izany, dia mitaingina lakana kely rehefa ao anatin’ireo volan’ny tondra-drano ilay faritra, dia mandeha ao anatin’ny fotaka mba hahatongavana any am-pianarana. Hoy izy hoe: “Te-hamita ny seminera aho ary hanomboka ny fianarana Institiota mba hiomanana amin’ny asa fitoriana. Hanao izay hivoarana foana aho ao amin’ny Fiangonana.” Manan-danja aminy ny seminera satria mianatra momba ny soratra masina sy mitadidy andinin-tsoratra manan-danja izy, izay hanampy azy ho lasa misiônera tsara kokoa.

Voatahy eo amin’ny Lafiny Rehetra ao amin’ny Fiainana

Rehefa miezaka manatrika seminera ny zatovo manerana an’izao tontolo izao, dia mahazo hery bebe kokoa noho ny hoe mandalina ny soratra masina fotsiny izy ireo. I Cameron Lisney avy any Angleterre dia nahita fa voatahy teo amin’ny lafiny maro tao amin’ny fiainany izy. “Tsy hoe manampy fotsiny eo amin’ny lafin-javatra ara-panahy ny seminera fa manampy koa amin’ny fianarana any an-tsekoly,” hoy i Cameron.

Nilaza izy fa “ny fanombohana vao maraina be ny andro dia mampanomboka ny sainao hiasa. Ny sasany amin’ ireo namako dia nilaza fa be zavatra atao izy ireo ka tsy afaka manatrika—Edrey! Tsy hoe handeha hamerina hianatra matematika amin’ny 6 ora maraina anie ianao e! sa ahoana?” Rehefa mandalina ianao dia “hanampy anao amin’ny fanadinanao ny Tompo ary raha manatrika seminera ianao dia hanampy anao bebe kokoa aza Izy,” hoy i Cameron.

Mazava ho azy fa nanampy an’i Cameron mba hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona koa ny seminera. Nilaza izy hoe: “Ny fiantombohan’ny fananako fijoroana ho vavolombelona dia avy amin’ny fandaharam-pianaran’ny seminera. Fony aho zatovo 14 taona dia tena nanana fahasahiranana tamin’ny filazantsara aho. Tsy dia nankafy loatra ny fiangonana aho ary nanao zavatra izay tsy tokony ho nataoko. Efa volana vitsivitsy monja talohan’ny tena saika hitsaharako tanteraka tamin’izay. Saingy rehefa nasain’ny namana iray i Cameron mba hanatrika seminera dia nanapa-kevitra ny hiaraka aminy izy. Dia tena nanomboka tonga tokoa ireo fitahiana.

“Nanomboka nahatsapa indray ny Fanahy aho,” hoy i Cameron. “Nanomboka nampifantoka bebe kokoa ny saiko aho tany am-piangonana ary nanatrika ny Sekoly Alahadiko sy ireo fampianarana tao amin’ny fisoronana. Lasa mora kokoa izany ary nanomboka nahatsapa ho faly kokoa aho. Farany dia nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ny tenako.” Afaka roa volana nanaovana seminera dia nihaona tamin’ny evekany i Cameron ary notokanana ho mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy.

Fantatr’i Cameron fa ny seminera dia manampy azy hanohitra ireo fakam-panahin’izao tontolo izao. “Rehefa nandeha ny seminera,” hoy izy, “dia hitako ho moramora kokoa ny fiatrehana ireo olana miseho eo amin’izao tontolo izao. Somary mafy ny hoe zatovo ao amin’ity izao tontolo izao izay iainantsika ity—voahodidin’ny fahotana isika na avy aiza na avy aiza. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa raha manatrika seminera ianareo dia hahazo hery hiarovanareo ny tenanareo amin’izany. Ny seminera dia mamorona ampinga ara-panahy mba hiarovana anao. Fitsapana sy fakam-panahy samihafa no niseho teny amin’ny lalako ary ny seminera dia nanampy be ahy mba hijanonako teo amin’ilay lalana ety sy tery.”

Mifankahery

Ny seminera koa dia manome fahafahana anao hiaraka amin’ireo zatovo izay mitovy finoana aminao. Hoy i Vika Chelyshkova avy any Rosia hoe: “Manentana ny fanahiko ny olona izay mitovy fomba fisainana amiko sy manaja ny fitsipi-pitondrantena izay hajaiko ary mino an’Andriamanitra toy ahy.” Nanampy izy hoe: “Raha manana fanontaniana aho dia afaka mifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ilay mpampianatra seminera ahy sy ireo mpianatra hafa. Afaka mizara ny eritreritro sy ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny hafa aho mba hanatanjahana ny finoako sy ny finoan’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fiarahana mamaky ny soratra masina sy ny fisaintsainana ny votoatin’izany ara-panahy dia manaiky kokoa an’Andriamanitra izahay ary lasa mifanakaiky.”

Nahita vokany mitovy amin’izany koa i Ksenia Goncharova avy any Ukraine. Hoy izy hoe: “Rehefa mifampizara ny zavatra niainanay izahay dia lasa matanjaka bebe kokoa ary mahatakatra bebe kokoa ny soratra masina. Rehefa miresaka momba ireo ohatra avy ao amin’ny fiainanay izahay mandritra ny lesona dia hitako ny fomba fiasan’ny filazantsara eo amin’ny fiainako ary eo amin’ny fiainan’ny hafa.”

Lasa Mahafantatra ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy

Nisy andian-jatovo iray vao haingana nanontaniana mikasika ny fomba nitahian’ny seminera azy ireo. Ny valintenin’izy ireo dia ahitana venti-kevitra lehibe iray—dia ny hoe manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy ny seminera. Ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Manan-danja daholo ireo lohahevitra rehetra izay halalininao ao amin’ny seminera. Rehefa mifantoka amin’ny iray amin’ ireo boky soratra masina ianao isan-taona dia i Jesoa Kristy Tompo no tena ifantohana.9

Ireto ireo zavatra izay nolazain’ireo zatovo maro momba ny fomba nitondran’ny seminera azy ireo ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • “Nianatra ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ahy aho rehefa namaky ireo tantara rehetra avy amin’ireo mpaminany maro sy nahatsapa fa manan-danja Aminy aho. Tsapako fa tena tia ahy Izy matoa maty sy nizaka ny fanaintainako.

  • “Fomba tena tsara hanombohako ny androko ny seminera. Na dia vizana toy ny inona aza aho dia mahatsapa ny Fanahy sy mahatsapa ho nampahatanjahana, ka rehefa misy zavatra sarotra miseho ao anatin’ilay androko dia fantatro tsy am-pihambahambana fa tia ahy ilay Mpamonjiko ary manana fahatokiana kokoa hiaro ny marina aho.”

  • “Izaho dia olona niova fo tao amin’ny Fiangonana. Efa nanomboka nanatrika seminera aza aho talohan’ny nanaovana batisa ahy. Raha tsy nisy ny seminera dia tsy fantatra raha ho natao batisa ihany aho. Raha tsy nisy ny seminera dia tsy ho nanana ny Mpamonjy teo amin’ny fiainako aho amin’izao fotoana izao na nahafantatra fa azo avela heloka noho ny fahotako. Tsy mba nanana velively ny Ray any an-danitra na i Jesoa Kristy mihitsy aho teo amin’ny fiainako. Ny seminera dia nanampy ahy hahita Azy ireo sy nandray Azy ireo ho lasa hitoetra mandrakizay ao amin’ny fiainako sy ny fiainan’ireo zanako ho avy.”

  • “Ny fandehanana manatrika seminera isan’andro dia nanampy ahy hanakaiky kokoa ilay Tompoko sy Mpamonjiko, Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana mikasika ny fampianarany sy ny fitiavany lehibe ahy ary ny fomba ahafahako miverina miara-miaina aminy.

  • “Rehefa any amin’ny seminera aho dia mahita ilay dikan-javatra lalina kokoa ao anatin’ny soratra masina. Mampahatsiahy ahy isa-maraina mba hanana toetra tahaka ny an’i Kristy izany ao anatin’ireo zavatra rehetra ataoko isan’andro.”

  • “Ny seminera dia nampianatra ahy ny tena fomba famakiana ny soratra masina fa tsy mankafy izany fotsiny, ary mampianatra ahy koa mba hampihatra izay novakiako eo amin’ny fiainako izany. Nianatra fotopampianarana sy fitsipika izay nampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona momba ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy aho izay ho entiko miaraka amiko mandritra ny fiainako.”

Noho ireo fitahiana maro be ireo izay avy amin’ny fanatrehana ny seminera dia mora ny mahita ny antony mahatonga ireo zatovo manerana an’izao tontolo izao manao izany ho lohalaharana ao anatin’ny fandaharam-potoanany.

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, Teach the Scriptures (lahateny ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, Ôkt. 14, 1977), 3.

  2. L. Tom Perry, “Raising the Bar,” Liahona, Nôv. 2007, 48.

  3. Richard G. Scott, “Realize Your Full Potential,” Liahona, Nôv. 2003, 42.

  4. Gordon B. Hinckley, “Stand True and Faithful,” Ensign, Mey 1996, 93.

  5. Gordon B. Hinckley, “The Miracle Made Possible by Faith,” Ensign, Mey 1984, 47.

  6. Gordon B. Hinckley, “The State of the Church,” Ensign, Mey 1991, 52.

  7. Ezra Taft Benson, “Our Responsibility to Share the Gospel,” Ensign, Mey 1985, 7.

  8. Dallin H. Oaks, “Good, Better, Best,” Liahona, Nôv. 2007, 104.

  9. David A. Bednar, “Conclusion and Testimony,” Welcome to Seminary 2010–2011, seminary.lds.org/welcome.

Sary nahazoana lalana tamin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana; sary nataon’i Scott Greer

Sary nataon’i Christina Smith

An-kavanana: sarin’ireo nahazo mari-pankasitrahana noho ny fianarana seminera tao Provo Utah, nahazoana lalana tamin’ny Tahirintsoratry ny Fiangonan’ny OAF