2012
Mahafantatra an’i Bleck ny Olona Rehetra
Aprily 2012


Mahafantatra an’i Bleck ny Olona Rehetra

Tsy niraharaha afa-tsy ny fanaovana basketball i Honoura “Bleck” Bonnet. Tany amin’ny faha-15 taonany dia olo-malaza vao nisandratra tany Polynésie Française i Bleck—izay iray amin’ireo mpilalao mahay indrindra tao anatin’ny iray tamin’ireo ekipa mahay indrindra tao amin’ny sokajin’ny olon-dehibe tao amin’izany firenena izany. Na dia fanononana diso ilay teny iray amin’ny teny Anglisy hoe: black aza ny anaram-bosotra nomena azy dia tsy nisy tomika ny talentany.

Saingy nila zavatra bebe kokoa izy. Te-ho mpilalao matihanina any Europe izy. Ary naniry mihoatra ny zavatra rehetra ny hahazo medaly volamena izy nandritra ireo Lalaon’ny Faritra Pasifika Atsimo.

Ny hany sakana izay toa nijoro eo amin’ny lalany dia ny Fiangonana.

Lehilahy Iray Manao Asa Fitoriana

Na dia niantohan’ny Fiangonana aza ilay ekipa nilalaovan’i Bleck tamin’izany fotoana izany, dia zara raha liana tamin’ny Fiangonana i Bleck na tamin’ilay antson’ny mpaminany ho an’ny tovolahy mendrika sy salama rehetra mba hanao asa fitoriana.

Efa niteny tamin’ny evekany izy fa tsy handeha hanao asa fitoriana. Tsy hitany ny fomba ahafahany ho lasa mpilalao matihanina raha toa ka mijanona tsy manao mandritra ny roa taona izy.

Ny tena manan-danja indrindra dia ilay Lalaon’ny Faritra Pasifika Atsimo izay—hatao isaky ny efa-taona—dia hiseho mandritra ny fotoana hanaovany asa fitoriana ary ny Federasiôn’ny Basketball ao Tahiti dia nanana faniriana ny hampilalao azy ao amin’ny ekipa nasiônaly. Hanana fahafahana amin’izay izy mba hampitsahatra ireo teny lazain’ny rainy azy isaky ny manomboka manambony ny tenany loatra i Bleck izay manao hoe: “Mahalala an’i Bleck ny olon-drehetra saingy tsy mba manana medaly volamena izy.”

Tamin’ny fomba feno hatsaram-panahy no nilazan’i Jean-Baptiste rain’i Bleck an’ ireo teny ireo. Saingy tena mahatezitra an’i Bleck izy ireo. Toy ny mpampahatsiahy azy izany fa na dia nahafantatra azy daholo aza ireo mpankafy basketball nanerana an’i Tahiti dia tsy mba nanana medaly volamena avy amin’ireo lalao izy. Ny rainy dia nahazo medaly volamena tao anatin’ny ekipa lehilahy nandritra ny Lalaon’ny Faritra Pasifika Voalohany.

Anjaran’i Bleck ny manaporofo fa diso ireo teny ireo. Tsy nanana fotoana hanaovana asa hafa izy.

Fiovan’ny Saina, Fiovan’ny Fo

Na dia teo aza ny zavatra tsapany momba ny fandehanana hanao asa fitoriana dia mbola nandray anjara tamin’ireo fiaraha-mientana tao amin’ny Fiangonana ihany izy. Fony izy 16 taona nandritra ny lanonam-pandihizana iray tao am-piangonana, dia nanana faharisihana nangataka an’i Myranda Mariteragi mba handihy i Bleck. I Myranda dia mpilalao basketball mahay koa—izay nanana nofinofy ny hahazo ny medaly volamenany koa. Ny rainy koa dia tao anatin’ilay ekipa tany am-boalohany izay nahazo medaly volamena.

Segondra vitsy taorian’ny nangatahany azy handihy dia tapitra ilay hira. Noho izany dia nandihy nandritra ilay hira manaraka izy ireo izay hira farany tamin’izay hariva izay. Rehefa nanakaiky izany dia tsy tian’i Bleck hifarana ilay dihy.

Tsy mba nanana drafitra ny hanambady any amin’ny tempoly izany i Bleck na hanambady mpikambana koa aza noho izany antony izany. Saingy nanomboka niova izany rehefa nanomboka nahafantatra an’i Myranda bebe kokoa izy nandritra ny roa taona manaraka. Indray andro tany an-tranon’i Myranda dia nisy zavatra nataony tao amin’ny Zatovovavy izay nisarika ny sainy. Izany dia mivaky hoe: “Hanambady any amin’ny tempoly aho.”

Ny fahalianan’i Bleck tamin’i Myranda sy ny fanoloran-tenany hanambady any amin’ny tempoly dia ampy ho azy hamerina handinika ny drafiny. Nanapa-kevitra ny hanomboka haneho fahamatorana mikasika ny Fiangonana izy. Ny fanapahan-kevitra noraisiny dia nitondra azy tany amin’ny fanaovana zavatra izay nanome fahafahana ny Fanahy Masina hiasa eo amin’ny fiainany.

Ilay Fanapahan-kevitra

Ny iray tamin’ireo fanapahan-keviny dia ny hiomana handray ny tsodranon’ny patriarika rehefa feno 18 taona. Rehefa nilaza ilay patriarika tao anatin’ilay tsodrano fa handeha hanao asa fitoriana i Bleck ary hanambady any amin’ny tempoly, dia nahatsapa ny Fanahy izy. “Fantatro fa izay no tian’Andriamanitra hataoko,” hoy izy.

Na dia toa hanam-bintana hahazo medaly ihany aza ilay ekipa nasiônaly, dia nanapa-kevitra i Bleck niaraka tamin’ny fanohanan’ny fianakaviany fa hametraka any alohan’izay zavatra tiany ny zavatra tian’Andriamanitra hataony. Tsy mora ilay fanapahan-kevitra. Tena lehibe ilay fanerena mba hilalao. Ary tsapany haingana fa hotsapaina mihoatra ny indray mandeha ilay fahapahan-keviny hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Rehefa feno herintaona ny naha-misiônera azy tao Tahiti dia nangataka azy ny federasiôn’ny basketball raha toa ka afaka miverina ao amin’ilay ekipa izy mandritra ny iray volana fotsiny mba handray anjara ao anatin’ireo lalao.

Ny filohan’ny misiônan’i Bleck izay niahiahy momba ny mety ho fiantraikan’izany toe-javatra izany eo amin’ny fahafahan’i Bleck miverina sy manompo, dia nentanin’ny fanahy hiteny taminy hoe: “Afaka mandeha ianao raha tianao saingy tsy afaka miverina ianao.”

Naniry ny hahazo izany medaly izany i Bleck saingy tsy naniry ny hahazo izany intsony mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra tamin’izay. Tena nahavariana ny asa fitoriana nataony. Tsy vonona ny hanajanona ny herintaonany farany izy na dia ho an’ny basketball aza.

Nijanona i Bleck.

Nahazo medaly volamena ilay ekipa.

Toe-javatra Tsy Mitovy, Fanapahan-kevitra Mitovy

Rehefa nahavita tamim-boninahitra ny asa fitoriany i Bleck dia nanambady an’i Myranda tao amin’ny Tempolin’i Papeete Tahiti ary nanomboka nanorina fianakaviana izy ireo. Niverina nilalao ho an’ny ekipa nasiônaly koa izy.

I Myranda dia vodilaharana mpiaro tao anatin’ny ekipa nasiônaly vehivavy ary niomana tamin’ny Lalaon’ny Faritra Pasifika koa ny tenany.

Kanefa rehefa nanakaiky ireo lalao dia nanomboka nahatsapa mafy ny tokony hananan-janaka faharoa izy mivady.

Noho ny fanatonan’ireo lalao izay afaka herintaona latsaka sisa dia ho mora kokoa ho an’i Myranda ny manemotra any aoriana ny fananan-janaka iray hafa mba hilalaovany. Manana vintana tsara ny hahazo medaly ny ekipa vehivavy.

Saingy nianatra avy amin’ny zavatra niainany izy mivady fa mitondra fitahiana bebe kokoa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra noho ny zavatra hafa izay azon’izy ireo antenaina avy amin’ny fanarahana ireo faniriany manokana. Taorian’ny fandinihina sy fivavahana tsara dia nanapa-kevitra ny hametraka ny fianakaviany ho lohalaharana izy ireo.

Tamin’ny 1999, rehefa bevohoka valo volana i Myranda dia nahazo medaly volamena ny ekipa vehivavy.

Mahafantatra an’i Bleck ny Olona Rehetra

I Bleck sy Myranda dia efa nilalao basketball tany amin’ny dingana ambony indrindra tany Polynésie Française nandritra ny folo taona lasa—nahazo ireo amboara nasiônalin’ny lalaon’ny mpiady tompon-daka sy ireo amboaran’ny lalao fifaninana-mihodina izy ireo ary nilalao tao anatin’ny ekipa nasiônaly nandritra ireo lalao nanomboka tamin’ny 2003 ka hatramin’ny 2007.

Nandritra ny lalao tamin’ny 2011 dia samy nandray anjara izy ireo fa tamin’ity indray mitoraka ity dia mpanazatra ny ekipa lehilahy i Bleck. I Myranda kosa sy ny ekipan’ny vehivavy dia nahazo medaly volamena ary nahazo medaly halimo ny ekipan’ny lehilahy izay tsy nahatantateraka indray ilay nofinofin’i Bleck mba hahazo medaly volamena.

Indraindray i Bleck dia manontany tena hoe ho nanao ahoana ny fiainany raha toa ka nanao izay tiany izy fa tsy izay tian’Andriamanitra.

“Mety ho nahazo ny medaly volamena aho,” hoy izy. “Mety lasa mpilalao matihanina aho, na ny mifanohitra amin’izay.”

Saingy tsy nanenenan’izy mivady ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo. Tsy matoky izy ireo hoe misy fomba hafa ahafahan’izy ireo ho faly kokoa noho izao.

“Nanambady tany amin’ny tempoly aho,” hoy i Bleck. “Manana vady mahafinaritra aho sy zanaka efatra mahafatifaty ary mbola ao amin’ny Fiangonana aho. Tsy afaka nanome ahy ny iray tamin’ireo raha izay basketball fotsiny. Ireo dia fitahiana avy amin’ny vokatry ny fametrahana ny Tompo ho lohalaharana.

Ny fametrahana ny Tompo ho lohalaharana dia tsy nampitsahatra ny hanihanin’ny rainy saingy nitondra dikany vaovao ho an’ireo teny ireo izany. Taona vitsy lasa izay rehefa nikasa ny hanisy isaky ny Alahady ny lalao ifanandrinan’ny fikambanan’ny mpilalao ny federasiôna dia nivory ireo filohan’ny fikambanana mba hifanakalo hevitra momba izany. Nisy olona nanontany hoe: “Nanontany an’i Bleck ve ianareo?”

Nolavina ilay sosokevitra.

Noho ny fametrahan’i Bleck ny Tompo ho lohalaharana dia tsy hoe nahafantatra an’i Bleck fotsiny ny olona rehetra—fa nahafantatra ny zavatra inoany.

Efa ela no nirotsahan’i Honoura “Bleck” sy Myranda Bonnet tao anatin’ny basketball tao Tahiti.

Ho an’i Bleck sy Myranda dia napetraka tany amin’ny seza tany aoriana ny fahombiazan’izy ireo teo amin’ny fanatanjahan-tena mba hipetrahan’ny fahombiazana eo amin’ny fianakaviana eo amin’ny seza eo aloha.

Sary nalain’i Adam C. Olson, afa-tsy izay nomarihina

Sarin’ny baolina basket nataon’i Tamara Ratieta © IRI