2012
2 Timoty 3:16–17
Aprily 2012


Andalana anampy Andalana

2 Timoty 3:16–17

Nampianatra ny fomba itahian’ ny soratra masina ny fiainantsika ny Apôstôly Paoly.

16 Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana:

17 Mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.

Ireo Soratra Masina rehetra

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Rehefa te-hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika, satria ny teniny dia nolazainy tamin’ ny alalan’ ireo mpaminaniny. Ary hampianatra antsika Izy rehefa mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika.

“Raha toa ka tsy nandre ny Feony ianao tato ho ato dia miverena aty am-piangonana ary mamerena mamaky soratra masina indray. Izy ireo no miaro ny fiainam-panahintsika.”

Loholona Robert D. Hales ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo, “Holy Scriptures: The Power of God unto Our Salvation,” Liahona, Nôv. 2006, 26–27.

Fotopampianarana

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fotopampianarana marina rehefa takatra dia manova ny toetra sy ny fitondran-tena. Hanatsara haingana kokoa ny fitondran-tenanao ny fandalinana ny fotopampianaran’ ny filazantsara noho ny fandalinana ny momba ny fitondran-tena mba ho entina hanatsarana ny fitondran-tena.”

Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo, “Do Not Fear,” Liahona, Mey 2004, 79.

Fanitsiana

Fanitsiana—mibedy, manafay, mandatsa na manitsy matetika amin’ny fomba feno hatsaram-panahy.

Fanitsiana

Ilay teny grika fototra nampiasaina tamin’ ny nanoratana ny Baiboly raha ara-bakiteny dia midika hoe “mampijoro ho mahitsy tsara indray.” Raha izany ny soratra masina dia manampy anao handeha amin’ ny lala-mahitsy sy hanaraka ilay lalana etỳ sy tery (jereo ny 2 Nefia 9:41).

Vonona tsara

Vonona tsara—mazoto hirotsaka hanao zavatra.

Asa Tsara

Inona avy ireo karazan’ asa tsara tokony hataonao ka anampian’ ny soratra masina anao? Ireto ny sasantsasany amin’ ireo izay tena mora hita. Afaka mahita hafa koa ve ianao? Soraty ao anatin’ ny diarinao ny momba izany.

  • Mitory ny filazantsara amin’ ny fotoana maharitra

  • Manatanteraka ny antso ato am-piangonana (toy ny fiadidian’ ny kôlejy na kilasy)

  • Mampianatra ny filazantsara

  • Mijoro ho vavolombelona

  • Mizara ny filazantsara

  • Mamaly ireo fanontanian’ ny namana mikasika ny Fiangonana

Sary hosodoko nataon’ i Paul Mann © 2002 IRI