2012
Fanontaniana sy Valiny
Aprily 2012


Fanontaniana & Valiny

“Maninona aho no mila mandeha manao seminera kanefa aho afaka mandalina samirery fotsiny ny soratra masina?”

Mandritra ny androm-piainanao manontolo ianao dia afaka handalina ny soratra masina irery foana, ka raha mbola misy fahafahana, dia araraoty ankehitriny ilay fahafahana mandalina soratra masina ao amin’ ny seminera miaraka amin’ ireo mpampianatra matihanina sy namana tsara.

Manampy anao hahazo fahalalana vaovao mikasika ny soratra masina izay mety mbola tsy dia tena takatrao tsara hatramin’ izay ny fianarana sy fandalinana izany eo ambany fitarihan’ ny mpampianatra mahay iray. Mety hizara ihany koa ny fampianaran’ ireo mpaminany sy mpitarika hafa ato am-piangonana ilay mpampianatra, fampianarana izay hanome anao fahatakarana bebe kokoa momba ny soratra masina.

Ary koa, matetika mahafinaritra kokoa ny mianatra miaraka amin’ ny mpiara-mianatra aminao. Hanana fahafahana hiresaka mikasika ireo zavatra hitanao eo am-pamakiana ianao. Ireo mpiara-mianatra aminao koa dia mety efa niaina zavatra izay nahatonga ny soratra masina sasantsasany ho lasa tian’ izy ireo indrindra. Ny fandrenesana ny zavatra niainan’ izy ireo dia hahatonga ilay soratra masina ho toy ny miaina kokoa ho anao. Ary satria mandalina ny filazantsara miaraka amin’ ny hafa ianao dia afaka mahazo ity fitahiana nampanantenaina ity manao hoe: “Fa na aiza na aiza no iarahan’ ny roa na telo miangona amin’ ny anarako, … dia indro, ho eo afovoany Aho” (F&F 6:32).

Manome lamina enti-mandalina ho anao ihany koa ny seminera. Amporisihina ianao mba hamaky ampahan-tsoratra masina isaky ny mandeha, izay manampy anao hahavita vaky ny boky soratra masina tsirairay. Manana fahafahana mifanakalo hevitra sy mitadidy ireo soratra masina fehezina ianao. Afaka manana antoka ianao fa hianatra zavatra bebe kokoa avy amin’ ny soratra masina amin’ ny alalan’ ny fanaovana seminera noho ny amin’ ny alalan’ ny fomba hafa amin’ izao fotoana izao eo amin’ ny fiainanao.

Namana Vaovao, Hevitra Vaovao

Mahazo namana vaovao ianao ao amin’ ny seminera ary ho lasa akaiky amin’ izy ireo ianao, ho toy ny fianakaviana. Mianatra zava-baovao maro izay tsy ho fantatrao ianao raha nianatra irery. Mahafinaritra sy tena hahatsapana fanahy izany. Manome antoka izany fa manomboka ny andronao amin’ ny fomba tsara ianao. Raha mbola tsy nanao izany ianao izao dia atombohy ary dia hanova ny fiainanao izany.

Katarina B., 16 taona, Californie, Etazonia Amerika

Fifaliana

Manokatra ny androko ny seminera. Mahatonga ahy ho olona falifaly kokoa sy mazoto kokoa hifanakalo hevitra momba ny filazantsara amin’ ny olon-kafa izany. Mandalina amin’ ny antsipiriany kokoa ny soratra masina izahay hany ka mahatakatra zavatra bebe kokoa aho.

Madi S., 15 taona, Colorado, Etazonia Amerika

Mianatra avy amin’ ny hafa

Ho ahy dia zavatra tsy maintsy atao ny seminera. Tsy vitan’ ny mampianatra sy manazava ireo fahamarinana hita ao amin’ ny soratra masina fotsiny ilay mpampianatro feno fanoloran-tena fa mianatra zavatra betsaka avy amin’ ireo fifanakalozan-kevitry ny iray kilasy koa aho. Mizara ny zavatra niainany avy amin’ ny zavatra nianarany ireo mpianatra hafa ary nanampy ahy hahazo fahalalana bebe kokoa mikasika ny filazantsara sy ny Mpamonjy ary ny Sorompanavotany izy ireo. Tsy ampy ny fandalinako samirery, satria tao anatin’ ireo fifanakalozan-kevitra tao an-dakilasy no nahitako ny vahaolana sasantsasany tamin’ ireo olana natrehako. Afaka mijoro ho vavolombelona aho fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ ny famahanana ny fijoroako ho vavolombelona mikasika ny Fiangonana marin’ i Jesoa Kristy ny seminera.

Denzel J., 15 taona, Samoa Andrefana

Fahazavana sy Fahamarinana

Rehefa manao seminera aho dia mikatsaka ny hahazo fahazavana sy fahamarinana ary mitafy ny fiarovan-tenan’ Andriamanitra (jereo ny F&F 27:15–18). Manampy ahy hahafantatra ny feony amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny toerana rehetra izany fiarovan-tena izany. Mampatanjaka ny finoako sy ny fijoroako ho vavolombelona ny fandalinana isan’ andro ny soratra masina ary manampy ahy hatanjaka ao anatin’ ny fiatrehana ireo fitsapana lalovako. Iray amin’ ireo fomba tsara indrindra hahitako fahazavana sy fahamarinana ary handalinako ny soratra masina sy hisaintsainako lalina ny fanatrehana ny seminera.

Nohemi M., 17 taona, Puebla, Mexique

Fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa

Voalohany, dia nilaza ny Tompo fa na aiza na aiza misy olona miangona amin’ ny Anarany dia ho eo anivon’ izy ireo Izy (jereo ny Matio 18:20; F&F 6:32). Ny fahatsapana ny Fanahiny dia afaka manampy antsika hisaintsaina ny zavatra nataony ho antsika. Faharoa, afaka mahatakatra bebe kokoa izay voasoratra isika rehefa mandalina ny soratra masina miaraka amin’ ny hafa. Rehefa mifampihaino eo ny tsirairay dia afaka mandre zavatra izay tsy ho tsikaritry ny tena manokana mihitsy, ary hahatsapa toy izany koa ny hafa rehefa mizara ny fahalalana azontsika isika. Fahatelo, mihamatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona rehefa mandeha manao seminera aho. Ny seminera dia fahafahana iray hizarana ny fijoroantsika ho vavolombelona ary hihainoana ny fijoroana ho vavolombelon’ ny hafa. Manampy antsika hijanona amin’ ny lalana mahitsy izany.

Dmitri G., 16 taona, Dnipropetrovsk, Ukraine

Fahatakarana bebe kokoa

Tsy mahita fahafinaretana loatra aho rehefa mandalina ny soratra masina irery noho ny rehefa mandalina izany miaraka amin’ ny hafa. Ankoatra izany dia afaka mianatra hevitra mahaliana avy amin’ ireo hafa ianao rehefa mandalina ny soratra masina miaraka. Nianatra tantara mahaliana maro tamin’ ny alalan’ ny seminera aho, ary mahafantatra bebe kokoa ny mombamomba ireo soratra masina izay mahatonga ny fandalinana hahafinaritra kokoa! Faly aho fa nanapa-kevitra ny hanao seminera.

Rebecca M., 16 taona, Schleswig-Holstein, Allemagne

Fampiarahan-javatra tonga lafatra

Traikefa mampivoatra ny seminera. Indraindray dia tsy ampy tsotra izao ny mandalina irery. Fampiarahan-javatra tonga lafatra ny fandalinana ataon’ ny tena manokana sy ny seminera. Mahavariana ireo mpampianatra ary raha sendra manana fanontaniana ianao dia afaka hanampy anao hamaly izany ny mpampianatrao sy ny mpiara-mianatra aminao.

Dawson D., 15 taona, Idaho, Etazonia Amerika

Antony Telo

Voalohany, manatrika seminera aho satria te-handeha hitory ny filazantsara. Mila mifoha maraina sy mandalina ny filazantsara ireo misiônera amin’ ny maraina. Manampy ahy hanana izany fahazarana tsara izany ny fifohazako maraina hanatrika ny seminera. Faharoa, amin’ ny maraina dia mbola misokatra tsara ny saintsika ka afaka mifantoka amin’ ny zavatra halalinintsika sy hianarantsika isika. Fahendrena ny mampiasa ireo ora tsara indrindra ao anatin’ ny andro iray mba hianarana mikasika an’ Andriamanitra. Fahatelo, mety tsy mahatakatra zavatra lalina toy ilay mpampianatro aho raha toa ka mianatra irery. Afaka mianatra zavatra bebe kokoa noho ny rehefa mianatra irery aho amin’ ny alalan’ ny fitarihany sy ny fampianarany.

H. Chen Yuan, 16 taona, T’ ai-chung, Taiwan