2012
Seminera any amin’ ny Ala Mikitrok’ i Équateur
Aprily 2012


Seminera any amin’ ny Ala Mikitrok’ i Équateur

Mitondra fiovana lehibe eo amin’ ireto tanora ireto izay any amin’ ny ala mikitroka lavitra ny seminera.

Any atsinanan’ i Quito, Équateur, rehefa avy mandalo ireo faritra misy vôlkano sy ny Tendrombohitra Les Andes dia mitsotsorika tampoka mankao anatin’ ny ala mikitrok’ i Amazonie ny lalana. Ao ianao dia hahita ala matevina, renirano maro, gidro, vorona miavaka, eny hatramin’ ny dauphin mavokely aza.

Ao koa ianao no hahita ny tanàna iray antsoina hoe: Puerto Francisco de Orellana. Tena lavitra amin’ ny zava-drehetra any Équateur izany. Dimy ambin’ ny folo taona lasa izay dia vitsy tokoa ny olona nipetraka teo amin’ izany faritra izany. Kanefa ny fahitana solitany tao dia nanintona orinasa, sy olona mpitady asa ary mpikamban’ ny Fiangonana.

Seminera ao amin’ ny Sampana Kely Iray

Vitsy tamin’ ireo tanora toa an’i Oscar R., no efa mpikambana rehefa naorina ny sampana, fa ny ankamaroany dia olona niova fo vao haingana. Ary misy afo miredareda ao am-pon’ izy ireo. “Matanjaka izahay,” hoy ny tenin’ i Oscar.

Nanomboka ny fandaharam-pianarana seminera ny tao amin’ ilay sampana, tamin’ ny Septambra 2010, izany hoe herintaona fotsiny taorian’ ny niorenany. “Fony vao nanomboka niangona izahay taona vitsy lasa izay,” hoy i Oscar, “dia tena mbola vitsy. Izaho irery no zatovo tao. Kanefa dia tsy nitsaha-nitombo izahay. Vetivety foana dia lasa 6 izahay, avy eo 10, ary ankehitriny dia zatovo maromaro noho izany aza.”

Noho ny sasany amin’ ireo zatovo izay mianatra maraina tany am-pianarana ary ny sasany mianatra ny tolakandro dia nasian’ izy ireo fotoam-pianarana seminera roa—ka ilay iray amin’ ny maraina dia amin’ ny 8:00 ka hatramin’ ny 9:00 ary ilay iray hafa amin’ ny tolakandro dia amin’ ny 4:30 ka hatramin’ ny 5:30.

Mety tsy dia betsaka loatra ny tanora manaraka ilay fandaharam-pianarana kanefa ho an’ ireo izay manatrika izany dia nanova ny fiainan’ izy ireo ny seminera.

Nahoana no atao izany?

“Fitahiana lehibe ho ahy ny seminera,” hoy i Luis V., izay mpikambana vaovao. “Manomana ahy ho lasa misiônera tsara izany. Niatrika fitsapana sy fakam-panahy maro aho hatramin’ izay naha-mpikamban’ ny Fiangonana ahy izay, kanefa afaka nanao izay hampatanjaka ahy hatrany aho satria manao izay zavatra tokony hatao.”

Ary tsy i Luis irery no mahatsapa toy izany. “Vao haingana no naha-mpikamban’ ny Fiangonana ahy,” hoy i Ariana J., “kanefa dia efa nanatrika seminera foana aho hatramin’ ny nahavitan’ ny batisako. Faly aho manatrika izany satria mianatra zavatra marina maro mikasika ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay mameno fanantenana ny foko ary fahatakaran-javatra ao an-tsaiko.”

Nanampy an’ i Ariana hanana fototra mafy orina ao amin’ ny filazantsara ny fanatrehana seminera. “Fitahiana ho ahy ny mandray anjara ao anatin’ ireo fotoam-pianarana ireo,” hoy i Ariana. “Mampatanjaka ny fanahiko izy ireo ary manampy ahy hiomana ka indray andro any dia afaka ho lasa vady, sy reny, sy mpitarika tsara ato am-piangonana aho ary mety ho lasa mpitory ny filazantsara amin’ ny fotoana maharitra.”

Mahatsapa toy izany koa i Geraldo, ny anadahin’ i Ariana. “Feno fankasitrahana aho satria lasa ampahan-javatra iray manan-danja eo amin’ ny fiainako ny seminera,” hoy izy. “Manomana ahy izany hanao asa fitoriana indray andro any. Tao no nianarako mikasika ny drafitry ny famonjena izay nomanin’ Andriamanitra ho ahy. Ny fotoam-pianarana tsirairay izay atrehako dia manome fanantenana ahy fa afaka mandova ny fanjakana selestialy aho ary manome antoka ahy fa nandray ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy aho.”

Indraindray dia mahatsapa ho torovana ihany i Gerardo mandritra ny fotoam-pianarana. Tsy maintsy manatitra ny zandriny lahy kely any an-tsekoly aloha izy voalohany indrindra ary avy eo dia miverina haingana any an-trano maka ny anabaviny mba hahafahan’ izy ireo mandeha manatrika seminera. Kanefa tsy mampaninona azy izany.

“Tena zava-baovao amiko izany rehetra izany kanefa heniky ny hafaliana aho,” hoy i Gerardo. “Fantatro fa eo amin’ ilay lalana tena izy aho izay hanome ahy fahafahana hahita ny Raiko any an-danitra indray. Manome antoka ahy ny amin’ izany ny Fanahy Masina. Mila miezaka fotsiny aho ary maharitra hatramin’ ny farany.”

Tsy Ilaina ny Mitebiteby

Tamin’ ny voalohany dia somary nahamenatra kely an’ i Walter A. ny fanaovana seminera. “Somary nitebiteby aho tamin’ ny voalohany,” hoy izy. “Kanefa rehefa niditra ny kilasy aho dia nahatsapa ho olona miavaka satria nahatsapa ny fitiavana izay tsapanao aho rehefa mandalina ny soratra masina. Ary rehefa nivoaka avy tao aho dia nahatsapa ho nahazo fahasambarana tao am-poko noho ireo zavatra nianarako. Iray amin’ ireo fitahiana lehibe indrindra omen’ ny Ray any an-danitra ny zatovo ny seminera.”

“Nanova ny fiainako Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany,” hoy i Abel A., izay miomana ihany koa handeha hanao asa fitoriana. “Mianatra mikasika ireo fampianaran’ ireo mpaminany aho. Tiako i Joseph Smith. Nahery fo izy teo amin’ ny fanatanterahana ny Famerenana amin’ ny laoniny ny Fiangonana marina na dia teo aza ireo olana nihatra taminy vokatr’ izany. Te-hahery fo toa azy aho.”

Maro ireo tanora no tsy maintsy maneho fahafoizan-tena mba hanaovana seminera. Tsy mora foana izany, kanefa ho an’ ireo zatovo ao Puerto Francisco de Orellana, Équateur, dia tsy hanenenana ny fanaovana izany.

“Rehefa mieritreritra ny dikan’ ny hoe mibosesika mandroso tahaka ny lazain’ ny soratra masina aho,” hoy i Abel nanazava dia, “mieritreritra aho fa izany dia midika hoe mametraka izay lohalaharana eo amin’ ny fiainantsika. Ny seminera dia iray amin’ izy ireo. Afaka manova ny fiainan’ ireo zatovo hafa izany tahaka ny nanovany ny fiainako.”

Miroborobo sy manova ny fiainan’ ireo izay misafidy ny hanao izany ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy sy ny fandaharam-pianaran’ ny seminera na dia any amin’ ny faritra tena lavitra any amin’ ny ala mikitrok’ i Équateur aza.

Ny seminera dia manamafy orina ny zatovo toy ireto any Équateur ireto, izay mbola mpikambana vaovao ny ankamaroany.

Sary nalain’ i Joshua J. Perkey