Scripture Stories
Ny mombamomba ny Testamenta Taloha


“Ny mombamomba ny Testamenta Taloha,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ny mombamomba ny Testamenta Taloha,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Ny mombamomba ny Testamenta Taloha

Fampanantenana nataon’ny Ray any An-danitra tamin’ireo zanany taloha elabe

Sary
fanehoana an-tsary ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Ny Testamenta Taloha no tapany voalohany amin’ny Baiboly Masina. Nosoratana taloha elabe tany ireo soratra masina ireo, ary talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy mihitsy aza. Ahitana tantara manampy antsika hanana finoana Azy ao anatin’izany. Mampianatra antsika izany fa isan’ny fianakavian’ny Ray any An-danitra ny olona tsirairay eto an-tany ary tia ireo zanany Izy.

Deoteronomia 7:7–9; Isaia 45:10–12

Sary
Adama sy Eva tao amin’ny saha

Antsoina hoe Jehovah sy ny Tompo i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha. Nanaraka ny torolalana nomen’ny Ray any An-danitra Izy. Hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva no efa nanirahan’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa Kristy hiresaka amin’ireo mpaminaniny. Nandefa ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra mba hanampy antsika hahafantatra fa marina ny tenin’ny mpaminany iray.

Eksodosy 6:2–3; 2 Tantara 20:20; Amosa 3:7; 2 Petera 1:21; Mosesy 2:1

Sary
Ny taranak’i Adama

Nampanantena an’ny mpaminany Abrahama sy i Saraha vadiny ny Tompo fa hihamaro sy hitahy ny tany manontolo ny fianakavian’izy ireo. Nanana fianakaviana maro izay lasa firenena iray i Jakoba zafikelin’izy ireo. Nantsoina hoe ny mpianakavin’i Isiraely na ny Isiraelita izy ireo. Nampianatra azy ireo ireo mpaminany mba hiandrandra fatratra ny fotoana izay hiavian’i Jesoa Kristy.

Genesisy 15:5–6; 17:1–8; Deoteronomia 18:15; Isaia 7:14

Sary
olona mijery havana

Tantara maro ao amin’ny Testamenta Taloha no maneho ny fomba nihazonan’ny Tompo ny fampanantenana nataony tamin’ny Isiraelita.

Genesisy 9:13–17; Jeremia 11:4–5; Hebreo 11:1–35

Sary
I Mosesy maneho tehina amin’ny vahoaka

Rehefa nihaino ireo mpaminany sy nitandrina ny didy ny Isiraelita dia nanampy azy ireo ny Tompo. Rehefa tsy nankatò izy ireo dia tsy afaka nanampy azy ireo Izy.

Deoteronomia 11:26–28; Joba 36:11–12

Sary
ankizy mamaky soratra masina

Isan’ny fianakavian’ny Ray any An-danitra ianao. Malemy fanahy ny Ray any An-danitra, ary tia anao Izy. Manana drafitra ho anao Izy. Noho i Jesoa Kristy Tompo dia afaka miverina miara-miaina indray amin’ny Ray any An-danitra ianao. Tahaka ny nampianarina an’ireo Isiraelita dia afaka misafidy ny hanam-pinoana ny Tompo sy hitandrina ny didiny ianao.

Eksodosy 15:2; Deoteronomia 4:31; 5:10; Mosesy 1:39