Scripture Stories
Josefa sy ilay mosary


“Josefa sy ilay mosary,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Josefa sy ilay mosary,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 42–46

Josefa sy ilay mosary

Fahafahana nananan’ny rahalahy iray hampiray ny fianakaviany

Sary
Jakoba maniraka ireo zanany lahy ho any Egypta

Noana noho ny mosary iray ny fianakavian’i Jakoba. Noho izany dia naniraka ireo zanany lahy ho any Egypta i Jakoba mba hividy sakafo. Najanony tao an-trano i Benjamina izay zanany faralahy. Natahotra ny hamoy an’i Benjamina tahaka ny namoizany an’i Josefa zanany taona maro lasa izy. Tsy fantany hoe namidin’ireo zanany lahy lehibe mba ho andevo i Josefa.

Genesisy 42:1–4

Sary
ireo rahalahin’i Josefa mangataka ny hividy sakafo aminy

Tamin’io fotoana io dia mpitarika lehibe tao Egypta i Josefa. Izy no tompon’andraikitra nisahana ny fivarotana sakafo nandritra ilay mosary. Nihaona tamin’i Josefa ireo rahalahiny dia nangataka mba hividy sakafo taminy. Tsy nahafantatra azy izy ireo.

Genesisy 42:5–8

Sary
Joseph miteny

Nahafantatra azy ireo i Josefa, saingy mody tsy nahafantatra azy ireo izy. Nanontany mikasika ny fianakavian’izy ireo izy mba hahafantarany raha mbola velona ny rainy sy i Benjamina rahalahiny.

Genesisy 42:10–14

Sary
ireo rahalahin’i Josefa mandeha mody mitondra sakafo

Dia nomen’i Josefa sakafo ireo rahalahiny. Niteny azy ireo izy fa tsy mahazo miverina mividy sakafo indray izy ireo raha tsy mitondra an’i Benjamina zandriny faralahy miaraka aminy.

Genesisy 42:15–20

Sary
ireo rahalahin’i Josefa miverina any Egypta

Rehefa lany indray ny sakafon’ny fianakaviana dia fantatr’i Jakoba fa tsy maintsy nandefa an’i Benjamina niaraka tamin’ireo zanany lahy hafa hiverina tany Egypta izy. Mbola natahotra ny handefa an’i Benjamina ihany i Jakoba. Saingy nampanantena i Joda izay isan’ireo mpirahalahy fa hiaro an’i Benjamina mba tsy ho azon-doza izy.

Genesisy 43:1–15

Sary
I Josefa miampanga ireo rahalahiny ho nangalatra kaopy volafotsy

Rehefa niverina tany Egypta ireo rahalahin’i Josefa dia mody nataon’i Josefa izay fomba hiampangana an’i Benjamina ho nangalatra kaopy volafotsy iray. Tiany ho fantatra raha efa niova ireo zokilahiny. Nitalaho tamin’i Josefa i Joda mba tsy hamaizan’i Josefa an’i Benjamina fa mba hamaizan’i Josefa azy kosa.

Genesisy 44

Sary
Josefa mampahafantatra ny tenany

Faly i Josefa raha nahita fa efa niova ireo rahalahiny. Tena tian’izy ireo tokoa i Benjamina ka narovan’izy ireo. Ka nony farany dia nolazain’i Josefa azy ireo hoe iza izy.

Genesisy 42:21–24; 45:1–4

Sary
Josefa mamihina ireo rahalahiny

Namela ireo rahalahiny tamin’ny nivarotan’izy ireo azy mba ho lasa andevo i Josefa. Nilaza i Josefa fa izay no fomba nentin’ny Tompo nanampiana ny fianakavian’izy ireo mba tsy ho matin’ny mosary.

Genesisy 45:5–8

Sary
ireo rahalahin’i Josefa nihazakazaka nankany amin’i Jakoba

Niverina tany amin’i Jakoba rainy ireo rahalahin’i Josefa dia notantarain’izy ireo azy ny zavatra rehetra izay nitranga. Nentin’i Jakoba nifindra tany Egypta ny fianakaviany manontolo.

Genesisy 45:24–28; 46:1–26

Sary
Josefa sy Jakoba tany Egypta, Farao mijery azy ireo

Noraisin’i Farao an-tanandroa ny fianakavian’i Jakoba. Nomeny tany sy biby fiompy izy ireo mba hahafahan’izy ireo manana sakafo be dia be. Niaina tamim-piadanana nandritra ny fotoana maharitra ny fianakavian’i Jakoba.

Genesisy 45:16–23