Scripture Stories
Ireo nofin’i Josefa avy tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra


“Ireo nofin’i Josefa avy tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ireo nofin’i Josefa avy tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 3037

Ireo nofin’i Josefa avy tamin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra

Olana atrehan’ny fianakaviana iray amin’ny fifankatiavan’izy ireo

Sary
Jakoba sy Josefa manao ny akanjo lavany

Nivavaka nandritra ny taona maro i Jakoba sy i Rahely mba hiterahan’izy ireo zazalahy. Namaly ny vavak’izy ireo ny Tompo rehefa teraka i Josefa. I Josefa no zanakalahy tian’i Jakoba indrindra, ary nomeny akanjo lava miavaka i Josefa. Nialona ireo zanak’i Jakoba 10 lahy zokiny.

Genesisy 30:22–24; 37:1–4

Sary
Josefa manazava nofy momba ny amboaram-bary

Rehefa 17 taona tany ho any i Josefa dia nahazo nofy avy tamin’ny tsindrimandry izy fa nanangona amboaram-bary tany an-tsaha niaraka tamin’ireo rahalahiny. Nijoro hatrany ny amboaram-barin’i Josefa. Saingy niondrika teo anatrehan’ny an’i Josefa kosa ny amboaram-barin’ireo rahalahiny. Rehefa notantarain’i Josefa an’ireo rahalahiny ilay nofy dia tezitra taminy izy ireo.

Genesisy 37:2, 5–8

Sary
Josefa manazava nofy momba ireo kintana

Taty aoriana dia nahazo nofy iray hafa avy tamin’ny tsindrimandry i Josefa. Tao anatin’io nofy io dia niankohoka teo aminy ny masoandro sy ny volana ary kintana 11. Notantarain’i Josefa an’ny fianakaviany ilay nofy. Ny hevitr’io nofy io dia toy ny hoe hanjaka tamin’ny fianakaviany i Josefa. Vao mainka tezitra kokoa tamin’i Josefa ireo rahalahiny. Tsy tian’izy ireo ilay nofiny.

Genesisy 37:9–11

Sary
Josefa mandeha mijery ireo rahalahiny

Indray andro dia nandeha lavitra ny tranon’izy ireo ireo rahalahin’i Josefa mba hamahana ireo ondry. Naniraka an’i Josefa hijery azy ireo i Jakoba.

Genesisy 37:12–19

Sary
ireo rahalahin’i Josefa

Naniry ny hamono azy ny sasany tamin’ireo rahalahin’i Josefa. Nalain’izy ireo ny akanjo lavan’i Josefa dia natsipin’izy ireo tao anaty lavaka izy.

Genesisy 37:20–24

Sary
Joseph ao anaty lavaka

Raha mbola tao anaty lavaka i Josefa dia nahita olona handeha ho any Egypta ireo rahalahiny. Nanapa-kevitra ny hivarotra an’i Josefa ho andevo tamin’ireo mpanao dia lavitra ireo rahalahiny ka namidiny sekely volafotsy 20 izy.

Genesisy 37:25–28

Sary
ra teo amin’ny akanjo lavan’i Josefa

Dia nasian’ireo rahalahin’i Josefa ran’osy lahy ny akanjo lavan’i Josefa. Nandeha tany amin’i Jakoba rainy ireo rahalahin’i Josefa dia nasehon’izy ireo azy ilay akanjo lava. Nandainga tamin’i Jakoba izy ireo ary nitantara taminy fa matin’ny bibidia i Josefa.

Genesisy 37:31–33

Sary
Jakoba mitomany

Nitomany i Jakoba satria noheveriny fa maty i Josefa.

Genesisy 37:32–35

Sary
Josefa lasa andevo tany Egypta

Saingy mbola velona i Josefa. Tany Egypta lavitra be ny tranony tany no nisy azy, ary andevo izy tany.

Genesisy 37:36