Scripture Stories
Abrahama sy Isaka


“Abrahama sy Isaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Abrahama sy Isaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesis 17; 21–22

Abrahama sy Isaka

Ray sy zanaka ary sorona iray

Sary
Abrahama sy Saraha ary zazakely

Nanan-janaka lahikely i Abrahama sy i Saraha, araka ny nampanantenain’ny Tompo. Nantsoin’izy ireo hoe Isaka izany.

Genesisy 17:9; 21:1–3

Sary
Abrahama mampianatra an’Isaka

Tian’ izy ireo Isaka. Nampianarin’izy ireo hifidy ny tsara izy sy hatoky ny Tompo.

Genesisy 21:8

Sary
Saraha sy Abrahama mijery an’ Isaka

Nampanantena an’i Abrahama sy i Saraha ny Tompo fa amin’ny alalan’Isaka dia hitombo ny fianakavian’izy ireo ka hitahy ny tany manontolo. Saingy indray andro dia nilaza tamin’i Abrahama ny Tompo mba hitondra an’Isaka ho amin’ny tendrombohitr’i Moria ary hanolotra an’Isaka ho sorona.

Genesisy 17:1–8; 22:1–2

Sary
Abrahama sy Isaka mandeha

Teny an-dalan’izy ireo ho eny amin’ny tendrombohitra dia nanontany Isaka hoe aiza ny ondry hatao sorona. Nilaza Abrahama hoe Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra.

Genesisy 22:4–8

Sary
Abrahama sy Isaka manorina alitara

Teny an-tendrombohitra Moria i Abrahama dia nanorina alitara ary nametraka kitay teo ambonin’izany.

Genesisy 22:8–9

Sary
Abrahama miomana hanao soroana an’Isaka

Araka ny nandidian’ny Tompo azy dia nangataka an’Isaka handry teo ambonin’ilay alitara izy. Natoky an’i Abrahama Isaka tahaka an’i Jesoa Kristy natoky ny Rainy.

Genesisy 22:9

Sary
anjely niseho tamin’i Abrahama sy Isaka

Raha teo am-panaovana sorona an’Isaka i Abrahama dia nisy anjelin’ny Tompo nanakana azy. Naneho ny finoany ny Tompo i Abrahama. Fantatr’i Abrahama fa hanaraka ny Tompo foana izy.

Genesisy 22:10–12

Sary
ondrilahy voasangazotry ny kirihitrala

Nitraka i Abrahama ka nahita ondrilahy iray voasangazotry ny kirihitrala. Ny Tompo no nanome ny ondry hatao sorona.

Genesisy 22:13

Sary
Abrahama sy Isaka mijery ny lanitra

Nianatra ny hanoloran’ny Ray any An-danitra an’i Jesoa Kristy Zanany ho sorona i Abrahama sy Isaka. Natoky an’i Abrahama i Jesoa Kristy Tompo satria nankatò izy. Natoky ny fampanantenan’ny Tompo i Abrahama hoe indray andro any ny fianakaviany dia hitombo hihoatra ny isan’ny kintana eny amin’ny lanitra.

Genesisy 22:17–18; Jakôba 4:5