Scripture Stories
Elia sy ireo mpisoron’i Bala


“Elia sy ireo mpisoron’i Bala,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Elia sy ireo mpisoron’i Bala,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Mpanjaka 18

Elia sy ireo mpisoron’i Bala

Ny mpaminanin’ Andriamanitra sy ny mpisorona sandoka

Sary
sarivongana kelin’i Bala

Nijaly hatrany ny fanjakan’ Isiraely noho ny tsy fisian-drano. Nilaza tamin’ny vahoaka ny mpanjaka Ahaba mba hanaraka andriamani-diso antsoina hoe Bala.

1 Mpanjaka 18:1–2, 17–18

Sary
Elia miresaka amin’i Ahaba

Nalefan’ny Tompo i Elia mpaminany mtba hihaona amin’i Ahaba. Nanasa ny olona rehetra teny an-tampon’ny tendrombohitra iray i Elia. Nanasa ny mpanjaka sy ny mpisorony izy ho amina fanamby iray mba hahitana hoe ny Tompo sa i Bala no tena Andriamanitra marina.

1 Mpanjaka 18:19–21

Sary
Elia miresaka amin’ireo mpisoron’i Bala

Nohazavain’i Elia ilay fanamby. Hanao sorona ombilahy eo ambony alitara izy sy ireo mpisoron’i Bala, saingy tsy hasian’izy ireo afo izany. Fa hivavaka amin’ny bala kosa ireo mpisorona mba hampirehitra afo. Avy eo i Elia hivavaka amin’ny Tompo mba hampirehitra afo. Fantatr’i Elia fa ny Andriamanitra tena marina ihany no hampirehitra ny afo.

1 Mpanjaka 18:22–25

Sary
Elia miresaka amin’ny vondron’olona

Nivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireo ny mpisoron’i Bala nanomboka ny maraina mandra-misasak’alina, saingy tsy nisy na inona na inona nitranga. Nihomehy azy ireo i Elia ary nilaza fa mety natory i Bala andriamanitr’izy ireo.

1 Mpanjaka 18:26–27

Sary
ireo mpisoron’i Bala mivavaka eo amin’ny alitara

Tezitra ireo mpisorona ary nitsambikina teo amin’ny alitara, ary nihiaka mandrapahariva ny andro. Nanantena izy ireo fa hamaly ny andriamanitr’izy ireo, nefa mbola tsy nisy afo ihany.

1 Mpanjaka 18:28–29

Sary
Elijah mandohalika

Dia anjaran’i Elia izao. Nanamboatra alitara ho an’ny Tompo izy, nihady hady manodidina ny alitara, ary nanomana ny sorona.

1 Mpanjaka 18:30–32

Sary
Elia sy ny olona manorina alitara

Nangataka ny vahoaka i Elia mba hameno rano siny efatra ary handraraka izany in-telo eo amin’ny hazon’ny alitarany. Nandena ny hazo sy ny alitara ny rano. Nameno ilay hady manontolo izany.

1 Mpanjaka 18:33–37

Sary
Elia mivavaka eo akaikin’ny alitara

Nivavaka tamin’ny Tompo i Elia mba hanehoana ny tena herin’ Andriamanitra. Latsaka ny afon’ny Tompo ka nandevona ilay sorona sy ny hazo sy ny vato ary rano. Fantatry ny vahoaka fa ny Andriamanitr’i Elia no tena Andriamanitra marina. Nivavaka i Elia mba hitsahatra ny hain-tany ary nandefa orana ny Tompo.

1 Mpanjaka 18:38–41