Scripture Stories
Jeremia mpaminany


“Jeremia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Jeremia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Jeremia 1–52

Jeremia mpaminany

Nantsoina talohan’ny nahaterahany

Sary
Jeremia nantsoina ho mpaminany

Nipetraka tao Jerosalema i Jeremia fony izy mbola kely. Indray andro dia tonga teo amin’i Jeremia ny Tompo ary niantso azy mba ho mpaminany. Nilaza tamin’i Jeremia ny Tompo fa efa voafidy ho mpaminany talohan’ny nahaterahany izy. Fantatry ny Tompo fa ho sarotra ny fiainan’i Jeremia. Kanefa nampanantena an’i Jeremia ny Tompo fa hiaraka aminy mandrakariva Izy.

Jeremia 1:1–10

Sary
Jeremia mampitandrina ny olona

Tsy nanaja ny fampanantenana nataony tamin’ny Tompo ireo vahoaka tao Jerosalema. Noho ny haratsiam-panahin’izy ireo dia nampitandrina ny olona i Jeremia fa ho lasan’olona an-keriny ny tanin’izy ireo. Nilaza ny Tompo fa raha mitandrina ny Sabata ho masina izy ireo dia tsy ho rava ny tanànan’i Jerosalema. Saingy tsy nihaino ny vahoaka.

Jeremia 6:1–19; 8–9; 17:21–27

Sary
Jeremia ao am-ponja

Nampianatra ny olona nandritra ny taona maro i Jeremia. Saingy tsy nibebaka izy ireo. Naleon’izy ireo kosa nandratra sy nampiditra an’i Jeremia tao am-ponja.

Jeremia 20:2; 26:8–9; 37:15–18; 38:6

Sary
Jeremia mitazana an’i Jerosalema iharan’ny fandravana

Tian’i Jeremia ireo olona tao. Nitomany noho ny fahotan’izy ireo izy. Tahaka ny voalazany mihitsy, dia rava i Jerosalema ary lasa babo an’ady ireo vahoaka.

Jeremia 9:1–8; 25:9–12; 52:1–10

Sary
Jeremia manoratra faminaniana

Nentina tany Egypta i Jeremia. Notenenin’ny Tompo izy hanoratra ireo faminaniany. Nankatò ny Tompo i Jeremia na dia sarotra aza ny zavatra niainany. Nanohy niteny ny vahoakany izy mba hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo.

Jeremia 36:1–2, 27–32