Scripture Stories
Ny Paska


“Ny Paska,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ny Paska,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Eksodosy 11–12; 14–15

Ny Paska

Narovan’ny Tompo

Sary
Mosesy mivavaka

Tsy nety namela ny Isiraelita handeha malalaka i Farao ka dia niteny an’i Mosesy ny Tompo fa handefa loza iray farany Izy. Ho faty ny voalohan-teraky ny fianakaviana tsirairay tao amin’ny tany Egypta, eny fa na ny voalohan-teraky ny biby fiompin’izy ireo aza.

Eksodosy 11:1, 4–10

Sary
Mosesy miresaka amin’ny vahoaka

Nampanantena ny Tompo fa raha nanaraka ny torolalana avy Aminy ny Isiraelita dia handalo azy ireo fotsiny ilay loza fa tsy hamely azy ireo.

Eksodosy 12:3, 13, 23

Sary
Lehilahy mandoko tolam-baravarana, ankizy mijery

Nasain’ny Tompo nanao sorona zanak’ondry lahy tsy misy kilema ny fianakaviana Isiraelita tsirairay dia hanosotra ilay ra eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranon’izy ireo.

Eksodosy 12:4–7

Sary
Fianakaviana miara-misakafo hariva

Nasain’ny Tompo nahandro sy nihinana haingana ilay zanak’ondry ny Isiraelita. Rehefa mihinana izany izy ireo dia tokony ho efa nahavita niakanjo sy vonona ny handao ny tranony. Nilaza ny Tompo fa raha nanao ireo zavatra ireo ny Isiraelita dia ho arovana tamin’ilay loza ny voalohan-terak’izy ireo.

Eksodosy 12:8–11

Sary
Maty ny zanaka lahimatoan’i Farao

Araka ny fampitandremana nataon’ny Tompo dia tonga ilay loza. Maty avokoa ny voalohan-teraka rehetra tao Egypta, ka isan’izany ny zanaka lahimatoan’i Farao. Saingy nandalo fotsiny teo amin’ireo trano izay nisy ran-janak’ondry teo amin’ny tolam-baravarana ilay loza. Voavonjy ny voalohan-terak’ireo Isiraelita satria nankatò ny Tompo izy ireo.

Eksodosy 12:12–13, 29–30

Sary
Farao malahelo miteny an’i Mosesy sy Arona handeha

Rehefa hitan’i Farao fa maty noho ilay loza ny zanany lahy dia nasainy nalain’i Mosesy sy Arona ny Isiraelita rehetra dia handao an’i Egypta.

Eksodosy 12:31–33

Sary
Farao tezitra mandefa miaramila

Lasa ny Isiraelita fa i Farao kosa dia tezitra. Nangoniny ny miaramilany sy ny kalesiny dia nanenjika ny Isiraelita izy ireo.

Eksodosy 12:37–41; 14:5–8

Sary
miaramila manenjika ny Isiraelita

Nitoby teo amin’ny Ranomasina Mena ny Isiraelita. Vetivety dia nahatratra azy ireo i Farao sy ny miaramilany. Rehefa nahita ny Egyptiana nanatona ny Isiraelita dia natahotra izy ireo. Saingy nilaza tamin’ny Isiraelita i Mosesy fa hiaro azy ireo ny Tompo.

Eksodosy 14:9–14

Sary
Mosesy manainga tehina, Ranomasina Mena misaraka

Rehefa nihananakaiky ny Egyptiana dia nasain’ny Tompo nanainga ny tehiny i Mosesy. Nanao izany i Mosesy dia nosarahan’ny Tompo ny ranomasina. Niampita ny ranomasina tamin’ny tany maina ny Isiraelita. Nandositra an’i Farao sy ny miaramilany izy ireo.

Eksodosy 14:15–16, 21–22

Sary
Ranomasina Mena mianjera eo amin’ny miaramila Egyptiana

Nanenjika ny Isiraelita ny miaramila Egyptiana. Rehefa tonga soa aman-tsara teny ampitan’ny ranomasina ny Isiraelita dia navelan’ny Tompo niraraka ny rano. Maty tao anaty ranomasina ny Egyptiana.

Eksodosy 14:23–30

Sary
ny Isiraelita mandihy

Afaka ihany ny Isiraelita nony farany. Nihira sy nandihy ary nisaotra ny Tompo izy ireo. Tadidin’izy ireo foana ny Paska hoe ilay fotoana namonjen’ny Tompo ny ain’izy ireo sy nitarihany azy ireo hiala tao Egypta.

Eksodosy 14:31; 15:1–22