Scripture Stories
Ny Isiraelita tany an-tany foana


“Ny Isiraelita tany an-tany foana,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ny Isiraelita tany an-tany foana,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Eksodosy 16

Ny Isiraelita tany an-tany foana

Mianatra miantehitra amin’ny Tompo

Sary
Isiraelita mitaraina

Fotoana fohy taorian’ny nandaozan’ny Isiraelita an’i Egypta dia nitaraina izy ireo fa tsy ampy ny sakafony. Nilaza izy ireo fa tsara kokoa ny nijanona ho andevo tany Egypta toy izay ho maty mosary tany an’efitra.

Eksodosy 16:1–3

Sary
Isiraelita manangona mana

Mba hampianarana ny Isiraelita hatoky Azy dia nandefa mofo avy any an-danitra ny Tompo mba hotsimponin’izy ireo isan’andro. Nantsoin’izy ireo hoe mana ilay mofo. Toy ny tantely ny tsiron’izany. Tsy nandefa mana ny Tompo rehefa Sabata, ny andro fahafito tao anatin’ny herinandro. Ka noho izany dia nasainy nitsimpona mana ampy tsara mandritra ny roa andro izy ireo tamin’ny andro fahaenina.

Eksodosy 16:4–5, 14–31

Sary
Isiraelita manangona papelika

Nisy fotoana kely nandefasan’ny Tompo ihany koa papelika mba hohanin’ny Isiraelita. Ny maraina izy ireo dia nitsimpona mana, ary tamin’ny hariva izy ireo dia nanangona papelika. Tian’ny Tompo hianatra hatoky Azy ny Isiraelita. Tamin’ny alalan’izany no nikarakarany azy ireo tany an’efitra.

Eksodosy 16:11–13