Scripture Stories
Abrahama sy Saraha


“Abrahama sy Saraha,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2021)

“Abrahama sy Saraha,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 11–15; 17; Abrahama 1–2

Abrahama sy Saraha

Fampanantenana izay hitahy ny fianakaviamben’ny olombelona

Sary
manavotra an’i Abrahama amin’ny mpisorona ny anjely

Nonina tao amin’ny tanànan’i Ora i Abrahama. Naniry ny hanao sorona azy ho an’ny sampiny ireo mpisorona ratsy fanahy tao. Nivavaka i Abrahama, dia navotan’ny Tompo izy.

Abrahama 1:1–20

Sary
Abrahama sy Saraha mandeha mitaingina rameva

Avy eo dia nandidy an’i Abrahama sy i Saraha vadiny ny Tompo mba hiala an’i Ora ary handeha any an-tany lavitra. Nampanantena Izy ny hitahy azy ireo amin’ny diany.

Genesisy 12:1–3; Abrahama 2:2–4

Sary
Abrahama sy Saraha mikarakara ireo ondry

Natoky ny Tompo i Abrahama sy i Saraha ary nandao an’i Ora. Saingy nalahelo izy ireo satria tsy afaka nanan-janaka. Nampahery azy ireo ny Tompo. Nampanantena Izy fa hanan-janaka izy ireo.

Genesisy 11:30–31; 15:1–6; 17:2–16; Abrahama 2:6–9

Sary
Niseho tamin’i Abrahama Andriamanitra.

Nivavaka tamin’ny Tompo i Abrahama mba hianatra bebe kokoa momba Azy. Nitsidika an’i Abrahama ny Tompo ary niantso ny tenany hoe Jehovah. Nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama i Jehovah. Nampanantena Izy fa hahazo ny fisoronana i Abrahama. Nampanantena ihany koa Izy fa amin’ny alalan’ny fianakavian’i Abrahama dia ho voatahy ny fianakaviana rehetra eto an-tany.

Abrahama 2:6–11

Sary
Abrahama sy Saraha mandeha mitaingina rameva

Raha teny an-dalana i Abrahama sy i Saraha dia nila sakafo izy ireo. Nanandrana nipetraka tao amin’ny tany iray antsoina hoe Kanana izy ireo. Tsy nisy sakafo tao, noho izany dia tsy maintsy nandeha tany Egypta izy ireo. Saingy loza ho azy ireo ny nipetraka tany Egypta.

Genesisy 12:10–20; Abrahama 2:21–25

Sary
mijery biby i Abrahama sy i Saraha

Nandao an’i Egypta i Abrahama sy i Saraha ary niverina tany Kanana. Nitondra sakafo sy biby avy tany Egypta izy ireo. Anisan’ny tany izay nampanantenain’ny Tompo azy ireo i Kanana.

Genesisy 13:1–4, 12; Abrahama 2:19

Sary
Melkizedeka miresaka amin’i Abrahama sy i Saraha

Nitazona ilay fampanantenany ihany koa ny Tompo ny amin’ny hoe hahazo ny fisoronana i Abrahama. Indray andro i Abrahama sy i Saraha dia nihaona tamina mpanjaka marina iray antsoina hoe Melkizedeka. Nandoa ny fahafolonkareny taminy i Abrahama.

Genesisy 14:18–24; Almà 13:15

Sary
Melkizedeka mitsodrano an’i Abrahama

Naharay ny fisoronana avy tamin’i Melkizedeka i Abrahama. Io ihany ilay fisoronana azon’ireo mpaminany Adama sy Noa.

Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:36–40; Abrahama 1:2–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:14

Sary
Abrahama sy Saraha

Sambatra i Abrahama sy i Saraha tao Kanana saingy mbola natahotra ihany izy ireo satria tsy nanan-janaka izy ireo. Mila natoky ny fampanantenan’ny Tompo izy ireo fa indray andro ny fianakavian’izy ireo dia hitombo ka hitahy ny tany manotolo.

Genesisy 13:12; 15:3–6