Scripture Stories
Samoela mpaminany


“Samoela mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Samoela mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Samoela 2–3

Samoela mpaminany

Zazalahy nantsoin’ny Tompo

Sary
Ely miresaka amina lehilahy

Nandritra ny fotoana naharitra dia tsy nanana mpaminan’ny Tompo mba hitarika azy ireo ny Isiraelita. Nanana mpitsara kosa anefa izy ireo izay nanapaka tao Isiraely nandritra ny taona maro. Nandritra izany fotoana izany dia nentin’i Hana hiara-hipetraka tamin’i Ely, ny mpisorona sy mpitsara an’Isiraely, i Samoela zananilahy kely. Nanampy an’i Ely tao amin’ny tempoly i Samoela.

1 Samoela 2:11, 18, 26; 3:1

Sary
Zanakalahin’i Ely mangalatra zavatra

Nanompo tao amin’ny tempoly ihany koa ireo zanakalahin’i Ely, saingy nangalatra ireo fanatitra natao ho an’ny Tompo izy ireo. Nitaraina tamin’i Ely ny olona sasany, fa tsy nosazian’i Ely izy ireo.

1 Samoela 2:12–17, 22–23

Sary
Samoela

Indray takariva dia nahare feo niantso azy i Samoela. Nataony fa i Ely izany, dia nandeha tany aminy i Samoela. Saingy tsy niantso azy i Ely. Nilaza tamin’i Samoela i Ely hiverina any am-pandriana.

1 Samoela 3:3–5

Sary
I Samoela miresaka amin’i Ely

Nahare ilay feo niantso azy fanindroany i Samoela. Nankao amin’i Ely izy hanontany izay nilainy. Saingy tsy niantso azy i Ely. Nilaza tamin’i Samoela i Ely ho any am-pandriana.

1 Samoela 3:6

Sary
Ely miresaka amin’i Samoela

Ren’i Samoela fanintelony ilay feo. Nankao amin’i Ely indray izy ary nanontany izay nilainy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fantatr’i Ely fa ny Tompo izany izay miresaka amin’i Samoela. Nilaza tamin’i Samoela i Ely hiverina any am-pandriana. Nilaza i Ely fa raha miantso indray ny Tompo dia tokony hihaino i Samoela.

1 Samoela 3:8–9

Sary
I Samoela miresaka amin’ Andriamanitra

Naheno ilay feo niantso azy indray i Samoela. Tamin’ity indray mandeha ity dia nangataka ny Tompo i Samoela mba hiteny fa hihaino izy. Nilaza tamin’i Samoela ny Tompo fa tsy mety ny hamelan’i Ely an’ireo zananilahy hanompo ao amin’ny tempoly. Tsy azo avela hanompo ao intsony ny fianakavian’i Ely.

1 Samoela 3:10–14

Sary
I Samoela sy i Ely miresaka

Ny andro manaraka iny dia nanontany an’i Samoela i Ely ny amin’izay nolazain’ny Tompo. Dia nolazain’i Samoela izany. Fantatr’i Ely fa ny Tompo no niresaka tamin’ny alalan’i Samoela.

1 Samoela 3:15–18

Sary
Samoela mijery olona

Nandeha nanerana ny tanin’Isiraely ilay vaovao. Fantatry ny vahoaka fa nifidy an’i Samoela ho mpaminaniny ny Tompo.

1 Samoela 3:19–20