Scripture Stories
Ny fianakavian’i Adama sy i Eva


“Ny fianakavian’i Adama sy i Eva,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ny fianakavian’i Adama sy i Eva,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 4; Mosesy 5–6

Ny fianakavian’i Adama sy i Eva

Misafidy ny hanaraka ny Tompo

Sary
Adama sy Eva sy ny fianakaviany

Taorian’ny nandaozan’i Adama sy i Eva ny Saha Edena dia nanohy nianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho azy ireo teto an-tany izy ireo. Nanan-janaka maro izy ireo ary nampianatra azy rehetra ka nahalala ny Tompo izy ireo. Nisafidy ny hankatò nyTompo ny sasany tamin’ireo zanak’i Adama sy i Eva. Saingy tsy nisafidy ny hankatò ny sasany tamin’izy ireo.

Mosesy 5:1–12; 6:15

Sary
Adama sy Eva miaraka amin’ny zanany, Adama manoratra soratra masina

Nitahiry boky fahatsiarovana ny fianakaviany i Adama sy i Eva. Nosoratan’izy ireo tao amin’ilay boky ny tantaram-pianakavian’izy ireo. Nanoratra mikasika ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo izy ireo.

Mosesy 6:5–6

Sary
Kaina sy Abela

Roa tamin’ireo zanakalahin’i Adama sy i Eva i Kaina sy i Abela. Tia ny Tompo i Abela ary nisafidy ny hanaraka Azy. Tsy nankatò ny Tompo i Kaina. Nisafidy ny hikomy izy.

Genesisy 4:1–16

Sary
lehilahy mitazana tanàna

Nitombo isa hatrany ny fianakavian’i Adama sy i Eva. Nihabetsaka ny olona teraka. Nanana fahalalahana hisafidy avokoa izy ireo. Taty aoriana dia nikomy tamin’ny didin’ny Tompo ny olona sasany. Naniraka mpaminany hampianatra ny olona hibebaka ny Tompo.

Genesisy 4:25–26; Mosesy 5:13; 6:23