Scripture Stories
Enoka mpaminany


“Enoka mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Enoka mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 5; Mosesy 6–7

Enoka mpaminany

Ny fomba nahaavotra tanàna iray noho ny finoana ny Tompo

Sary
Andriamanitra miresaka amin’i Enoka

Nangataka an’i Enoka i Jesoa Kristy Tompo mba hilaza amin’ny vahoaka hibebaka. Saingy tsy mahay miresaka tsara anefa i Enoka. Natahotra izy fandrao tsy hihaino azy ny vahoaka.

Genesisy 5:22; Mosesy 6:26–31

Sary
olona mihomehy an’i Enoka

Nampanantena ny Tompo fa hankahery sy hiaro an’i Enoka na dia tsy tian’ny olona sasany aza ny zavatra nampianarin’i Enoka.

Mosesy 6:32–39

Sary
Enoka mampianatra ny vahoaka

Nankahery an’i Enoka ny fampanantenan’ny Tompo. Nankatò ny Tompo i Enoka ary nampianatra ny vahoaka tamin-kery. Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy izy, sy ny fibebahana, sy ny batiza, ary ny Fanahy Masina. Nino an’i Enoka ny olona sasany ary naniry ny hanaraka ny Tompo.

Mosesy 6:47–68

Sary
Enoka manao batisa vehivavy

Nanana fahefana avy tamin’ Andriamanitra i Enoka mba hanao batisa. Natao batisa avokoa ny olona rehetra izay nino an’i Enoka ary lasa nanatona bebe kokoa ny Tompo. Tsy nisy olona mahantra satria nifampikarakara izy ireo. Nantsoina hoe Ziona izy ireo satria niara-niaina tamim-pitiavana sy fahamarinana.

Mosesy 7:10–20

Sary
fiainanan’i Jesoa, sy ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin’ny maty

Indray andro dia nasehon’ny Tompo an’i Enoka ny fahitana ny zavatra rehetra izay hitranga eto an-tany. Hitan’i Enoka ny fiainan’i Jesoa, sy ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Nianatra i Enoka fa amin’ny andro farany dia haverina amin’ny laoniny ny filazantsara. Nahita ny fiavian’i Jesoa fanindroany ihany koa izy.

Mosesy 7:21–67

Sary
Andriamanitra miresaka amin’ny vahoakan’i Ziona

Tamin’ny farany dia nino an’i Enoka ny olona rehetra tao amin’ny tanànan’i Ziona ary nibebaka. Koa satria nifampikarakara izy ireo sy niaina tao anatin’ny fiadanana, dia nalain’ny Tompo izy ireo mba hiaiana miaraka Aminy.

Genesisy 5:24; Mosesy 7:18, 21, 68–69