Scripture Stories
Ny fahariana ny tany


“Ny fahariana ny tany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ny fahariana ny tany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 1–2; Mosesy 1–3; Abrahama 3–5

Ny fahariana ny tany

Fonenana tsara ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra

Sary
Andriamanitra sy ny Tompo mamorona izao tontolo izao

Nasehon’ Andriamanitra Raintsika any An-danitra ny drafitry ny famonjena tany an-danitra. Nihiaka fifaliana avokoa isika rehetra! Afaka ny ho tonga eto an-tany isika mba handray vatana. Rehefa eto an-tany dia hianatra ny hanaraka ny Zanak’ Andriamanitra isika. Nahary ny tany ny Tompo raha nanaraka ny toromarik’ Andriamanitra.

Genesisy 1:1; Joba 38:4–7; Mosesy 1:32–33; 2:1; Abrahama 3:22–27

Sary
planeta ao anatin’ny habakabaka

Tamin’ny andro voalohany dia nanasaraka ny hazavana sy ny haizina izy. Nantsoiny hoe andro ny mazava ary alina ny maizina.

Genesisy 1:3–5; Mosesy 2:3–5; Abrahama 4:1–5

Sary
rahona sy ranomasimbe

Tamin’ny andro faharoa dia nosarahany ny rano teny amin’ny rahon’ny lanitra sy ny ranomasina teo amin’ny tany.

Genesisy 1:6–8; Mosesy 2:6–8; Abrahama 4:6–8

Sary
ala akaikin’ny ranomasina

Tamin’ny andro fahatelo dia namorona ireo ranomasimbe sy ny tany maina ny Tompo. Nantsoiny hoe ranomasina ny rano ary ny tany maina nantsoiny hoe tany. Nataony tsara tarehy ny tany ka nasiany voninkazo, voankazo, zava-maniry ary hazo.

Genesisy 1:9–13; Mosesy 2:9–13; Abrahama 4:9–13

Sary
fanehoana ny alina sy ny andro

Tamin’ny andro fahefatra dia nahary ny masoandro Izy mba hazava mandritra ny andro. Avy eo dia nahary ny volana sy ny kintana Izy mba hazava mandritra ny alina.

Genesisy 1:14–19; Mosesy 2:14–19; Abrahama 4:14–19

Sary
zava-manan’aina anaty ranomasina

Tamin’ny andro fahadimy dia namorona ny trondro ao anaty ranomasina ny Tompo sy ireo vorona eny amin’ny lanitra. Notsofiny rano ireo zava-manan’aina mba hitombo ary notsofiny rano ny trondro mba hameno ireo rano.

Genesisy 1:20–23; Mosesy 2:20–23; Abrahama 4:20–23

Sary
biby any anaty ala

Tamin’ny andro fahenina dia nahary ny biby eny amin’ny tany Izy, ny sasany mandeha ary ny sasany mandady.

Genesisy 1:24–25; Mosesy 2:24–25; Abrahama 4:24–25

Sary
Adama sy Eva amin’ny Saha Edena

Nidina tety an-tany ny Ray any An-danitra sy ny Tompo tamin’ny andro fahenina. Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy. Nolazain’ny Ray any An-danitra izy ireo mba hifampikarakara sy hanan-janaka. Nomena fatokisana ihany koa ny lehilahy sy ny vehivavy mba hikarakara ny tany sy ny biby.

Genesisy 1:26–27; Mosesy 2:26–27; Abrahama 4:26–31; 5:7–8

Sary
Adama sy Eva mijery biby

Faly ny Ray any An-danitra tamin’ny zavatra rehetra nohariany. Tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Izy Ireo. Tsara tarehy ny tany ary feno zava-manan’aina.

Genesisy 2:1–3; Mosesy 3:1–3; Abrahama 5:1–3