Scripture Stories
Josia mpanjaka


“Josia mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Josia mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

2 Mpanjaka 22; 2 Tantara 34–35

Josia mpanjaka

Fikatsahana hankatò ny didin’ny Tompo

Sary
mpanjaka Josia fony izy zazalahy

Valo taona i Josia tamin’ny fotoana nanosorana azy ho mpanjakan’i Joda. Mpanjaka marin-toetra izay tia ny Tompo izy. Te hanampy ny Isiraelita vahoakany izy mba hankatò ny Tompo ary hitsahatra tamin’ny fanompoan-tsampy. Rehefa lehibe izy dia nanomboka nanarina ilay tempoly izy sy ny vahoakany ary namerina izany ho tsara tarehy indray.

2 Mpanjaka 22:1–2; 2 Tantara 34:3–7

Sary
Hilkia mahita horonan-taratasy ao amin’ilay tempoly rava

Nandritra ny fotoana nanamboaran’ny olona ilay tempoly dia nahita bokin’ny lalàna i Hilkia mpisoronabe, ary izany dia horonan-taratasy nirakitra ny soratra masina.

2 Mpanjaka 22:3–9

Sary
Mpanjaka Josia malahelo mihaino ny bokin’ny lalàna

Namaky ilay boky tamin’i Josia ny mpanompo iray. Ren’i Josia ireo teny ary nalahelo izy satria tsy nankatò ny Tompo ny olony. Norovitiny ny akanjony mba hanehoana fa nalahelo izy.

2 Mpanjaka 22:10–13, 19

Sary
ireo mpanompon’i Josia miresaka amin’i Hilkia

Nasainy nanontanian’i Hilkia an’ny Tompo ny zavatra tokony hataon’izy ireo. Nandeha namangy an’i Holda i Hilkia sy ireo mpanompon’ny mpanjaka. Mpaminany vavy izy, izay mpitarika nahatoky nahazo fitaomam-panahy avy tamin’ Andriamanitra. Nilaza izy fa faly tamin’i Josia ny Tompo satria nanampy ny vahoaka hankatò izy. Nampanantena ny Tompo fa hiaina tamim-piadanana ny mpanjaka Josia.

2 Mpanjaka 22:12–20

Sary
Josia mpanjaka nihinana sakafon’ny Paska

Tian’i Josia mpanjaka hitandrina ny fampanantenana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo ny vahoakany. Nanasa azy ireo izy hankalaza ny Paska mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny fomba nanafahan’ny Tompo ny Isiraelita taloha elabe tany Egypta.

2 Tantara 35:1–19