Scripture Stories
Mosesy eo amin’ny tendrombohitra Sinay


“Mosesy eo amin’ny tendrombohitra Sinay,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Mosesy eo amin’ny tendrombohitra Sinay,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Eksodosy 19–2024; 31–34; Deoteronomia 4–7

Mosesy eo amin’ny tendrombohitra Sinay

Manampy ny olona hahatsiaro ny Tompo

Sary
Tendrombohitra Sinay

Nandeha namakivaky tany an’efitra i Mosesy sy ny Isiraelita. Tonga teny amin’ny tendrombohitra iray nantsoina hoe Sinay izy ireo.

Eksodosy 19:1

Sary
Mosesy mivavaka

Nihanika ilay tendrombohitra i Mosesy mba hiresaka tamin’ny Tompo. Nilaza tamin’i Mosesy ny Tompo fa te hiresaka tamin’izy ireo mivantana Izy.

Eksodosy 19:3, 9–11

Sary
rahona manodidina tendrombohitra

Nankeo am-pototry ny tendrombohitra Sinay ny Isiraelita, dia nasian’ny Tompo rahona setroka nanodidina an’ilay tendrombohitra. Tao anatin’ilay rahona ny Tompo. Niresaka tamin’ny Isiraelita Izy ary nanome azy ireo didy. Nihovitrovitra ilay tendrombohitra rehefa niteny Izy.

Eksodosy 19:16–19; 20:1–17; Deoteronomia 4:12–13, 33; 5:4–5

Sary
ny Isiraelita matahotra

Natahotra ny Isiraelita. Niangavy an’i Mosesy izy ireo hiresaka tamin’ny Tompo mba hahafahan’i Mosesy milaza amin’izy ireo ny zavatra notadiavin’ny Tompo.

Eksodosy 20:18–19

Sary
loholona Isiraelita eo amin’ilay tendrombohitra

Nentin’i Mosesy teny amin’ilay tendrombohitra i Arona sy ny loholona 70 lahy Isiraelita mba handray fampianarana bebe kokoa avy amin’ny Tompo. Niseho tamin’izy ireo ny Tompo.

Eksodosy 24:1, 9–11

Sary
Ny Tompo manoratra amin’ny takela-bato ho an’i Mosesy

Avy eo dia nasain’ny Tompo niala teo amin’ireo loholona i Mosesy ary hiakatra any ambony kokoa teo amin’ilay tendrombohitra. Nankatò i Mosesy. Nampiasa ny rantsan-tanany ny Tompo nanoratana ny lalàny sy ny didiny tamin’ny takela-bato. Nampianatra an’i Mosesy zavatra maro nandritra ny 40 andro ny Tompo.

Eksodosy 24:12–18; 31:18

Sary
Isiraelita manamboatra ombilahy kely volamena

Raha mbola teny amin’ny tendrombohitra Sinay i Mosesy dia reraka niandry azy ny olon’i Isiraely. Nasain’izy ireo nanamboatra sary vongana i Arona mba hotompoin’izy ireo tahaka ny nataony tany Egypta. Nangonin’i Arona ny volamenan’izy ireo rehetra dia nanamboatra ombilahy kely volamena izy ireo.

Eksodosy 32:1–4

Sary
ny Isiraelita manompo ombilahy kely volamena

Nidera ilay ombilahy kely volamena ny Isiraelita dia nanao sorona. Nilaza izy ireo fa ilay ombilahy kely volamena no nanafaka azy ireo tany Egypta fa tsy ny Tompo.

Eksodosy 32:4–6, 21–24

Sary
Mosesy midina avy eny an-tendrombohitra

Fantatry ny Tompo fa nanompo sampy sy nanadino Azy ny Isiraelita. Nodidiany i Mosesy mba hiverina dia hiteny ny vahoaka mba hibebaka.

Eksodosy 32:7–10

Sary
Mosesy miresaka amin’ny Isiraelita, ombilahy kely volamena potika

Nidina avy eny amin’ny tendrombohitra Sinay i Mosesy dia nahita ny Isiraelita nanompo ombilahy kely volamena. Tezitra mafy izy. Tsy vonona ny hankatò ny lalàna sy ny didy izay nosoratan’ny Tompo ireo olona. Novakin’i Mosesy ireo takela-bato dia nopotehiny ilay ombilahy kely volamena. Nanampy ny Isiraelita hibebaka sy hahatsiaro ilay tena Andriamaniny izy.

Eksodosy 32:15–20, 25–29

Sary
Mosesy mivavaka

Niangavy ny Tompo i Mosesy mba hamela heloka ny Isiraelita sy hanome fampanantenana ho azy ireo indray. Nampanantena ny hitarika sy hampianatra azy ireo i Mosesy.

Eksodosy 32:30–34

Sary
Mosesy miaraka amin’ireo takela-bato misy ny Didy Folo

Nasain’ny Tompo nanamboatra takela-bato vaovao i Mosesy dia niverina teny amin’ny tendrombohitra Sinay. Nanome fampanantenana vaovao an’ny Isiraelita ny Tompo ary nanome azy ireo ny Didy Folony.

Eksodosy 20:2–17; 34:1–17, 28; Deoteronomia 6:24–25; 7:12–13