Scripture Stories
Mosesy mpaminany


“Mosesy mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Mosesy mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Eksodosy 2–3

Mosesy mpaminany

Nantsoina hanafaka ny vahoakan’ny Tompo

Sary
Egyptiana mikapoka Isiraelita

Nitombo tahaka ny zanakalahin’ny zanakavavin’i Farao i Mosesy. Nahita i Mosesy fa ratsy fanahy tamin’ny Isiraelita ny Egyptiana. Nalahelo izy fa nataon’ny Egyptiana andevo ny Isiraelita.

Eksodosy 2:10–11

Sary
Mosesy miaro ny Isiraelita

Indray andro dia nahita Egyptiana nikapoka Isiraelita i Mosesy. Mba hiarovana ilay Isiraelita dia novonoin’i Mosesy ilay Egyptiana.

Eksodosy 2:11–14

Sary
Mosesy any an’efitra

Rehefa fantatr’i Farao izany dia naniry ny hamono an’i Mosesy izy, fa Mosesy nandositra niala an’i Egypta.

Eksodosy 2:15

Sary
Mosesy mianakavy

Tonga tamin’ny toerana iray antsoina hoe Midiana i Mosesy, izay nihaonany tamin’ny vehivavy iray antsoina hoe Zipora. Nivady izy ireo ary nanan-janaka.

Eksodosy 2:21–22

Sary
Mosesy mijery roimemy misy lelafo

Raha nipetraka tao Midiana i Mosesy dia nahita roimemy nirehitra, saingy tsy nandoro an’ilay roimemy ilay afo. Niseho tao amin’ilay afo ny Tompo ary niresaka tamin’i Mosesy.

Eksodosy 3:1–6

Sary
Jesoa miresaka amin’i Mosesy

Nilaza ny Tompo fa fantany fa mijaly ireo Isiraelita any Egypta. Nodidiany i Mosesy mba hiverina any Egypta ary hilaza amin’i Farao mba hamela ny Isiraelita handeha. Nilaza ny Tompo fa hanampy an’i Mosesy hanafaka ny Isiraelita Izy ary hitarika azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Eksodosy 3:7–18