Scripture Stories
Nehemia


“Nehemia,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Nehemia,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Nehemia 1–246

Nehemia

Fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema

Sary
Nehemia, mpanjaka mijery

Jiosy nipetraka tany Persia i Nehemia. Izy no mpanompo natokisan’ny mpanjaka. Indray mandeha i Nehemia dia nahare fa nijaly ireo Jiosy tao Jerosalema. Rava ireo manda niaro an’i Jerosalema ary tsy mbola nisy namerina nanangana. Notandindomin-doza i Jerosalema. Nifady hanina sy nivavaka mba hahazo ny fanampian’ny Tompo i Nehemia.

Nehemia 1

Sary
ny mpanjaka miresaka amin’i Nehemia momba ilay manda

Nanontany an’i Nehemia ny mpanjaka hoe nahoana izy no nalahelo mafy. Notantarainy an’ny mpanjaka ilay loza nanambana an’i Jerosalema. Nilaza ny mpanjaka fa afaka hanampy azy. Nangataka ny handehanany tany Jerosalema i Nehemia dia hanangana indray ilay manda. Nataon’ny mpanjaka ho mpitarika i Nehemia dia nomeny ny vatsy izay nilainy.

Nehemia 2:2–8

Sary
Nehemia manangana manda, ireo fahavalo mijery azy

Nanomboka nanangana indray an’ireo mandan’i Jerosalema i Nehemia. Saingy nihomehy azy ireo ireo fahavalony ary niezaka nanakana azy ireo.

Nehemia 2:17–20

Sary
olona mihomehy an’i Nehemia

Niezaka namandrika an’i Nehemia mba hiala tao amin’ilay tanàna ireo fahavalony. Saingy tsy nety nandeha i Nehemia. Natoky ny Tompo izy. Nanao asa lehibe izy.

Nehemia 6:2–4

Sary
Nehemia mijoro eo ambonin’ilay manda efa voatsangana

Nilaza tamin’ny olony mba tsy hatahotra i Nehemia. Nasian’izy ireo mpiambina teo amin’ilay manda mba hiarovana izany. Nanohy nanangana ilay manda ny Jiosy. Nanome hery ny Jiosy ny Tompo, dia vitan’izy ireo tao anatin’ny 52 andro ilay manda. Voaro indray i Jerosalema tamin’izay.

Nehemia 4:6–15; 6:5–9, 15–16