Scripture Stories
Adama sy Eva


“Adama sy Eva,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Adama sy Eva,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 2–3; Mosesy 3–5; Abrahama 5

Adama sy Eva

Mahazo traikefa amin’ny fanaovana safidy

Sary
Adama sy Eva miaraka amin’ny biby

I Adama sy i Eva no zanaky ny Ray any An-danitra niaina teto an-tany voalohany. Nipetraka tao amin’ilay saha mahafinaritr’i Edena izy ireo, voahodidina zava-maniry sy hazo maro isan-karazany. Nitsidika azy ireo ary niresaka tamin’izy ireo Andriamanitra ilay Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo.

Genesisy 2:8–9; 3:8; Mosesy 3:8­–9; Abrahama 5:8, 14–19

Sary
hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy

Navelan’ Andriamanitra hihinana ny voankazo rehetra izy ireo afa-tsy iray ihany. Raha nihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy dia tsy maintsy hiala ny saha ary ho faty amin’ny farany. Nandainga tamin’i Adama sy i Eva i Satana. Nolazain’ i Satana fa raha nihinana ny voankazo izy ireo dia hahalala ny tsara sy ny ratsy fa tsy ho faty.

Genesisy 2:16–17; 3:1–5; Mosesy 3:9; 4:6–11; Abrahama 5:9, 12–13

Sary
Eva maka voankazo

Nisafidy ny hihinana ilay voankazo i Eva.

Genesisy 3:5–6; Mosesy 4:12

Sary
tanana mihazona voankazo

Nanome an’i Adama amin’ilay voankazo i Eva. Nisafidy ny hihinana ihany koa izy.

Genesisy 3:6–7; Mosesy 4:12

Sary
Adama sy Eva miafina an’ Andriamanitra sy Jesoa

Nitsidika azy ireo Andriamanitra sy ny Tompo, saingy natahotra i Adama sy i Eva ka niafina. Nanontany Andriamanitra raha nihinana ilay voankazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo.

Genesisy 3:8–13; Mosesy 4:13–14

Sary
Adama sy Eva mandao ny Sahan’i Edena

Nilaza tamin’ Andriamanitra i Adama sy i Eva fa nisafidy ny nihinana ilay voankazo izy ireo. Noho ny safidy natoan’izy ireo dia tsy maintsy niala ny saha Edena izy ireo. Tafasaraka tamin’ Andriamanitra izy ireo, saingy nanana drafitra ho azy ireo Izy. Izao izy ireo dia mahalala ny zavatra mety sy tsy mety ary afaka nanan-janaka.

Genesisy 3:16–24; Mosesy 4:15–31

Sary
fianakavian’i Adama sy i Eva mijery afo

Nampanantena ny hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra i Adama sy i Eva. Nampianarina nanao sorona biby izy ireo. Rehefa nankatò izy ireo dia nianatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Samy nahatsapa fifaliana be izy roa satria hanampy ny fianakavian’izy ireo hiverina any amin’ Andriamanitra Izy.

Genesisy 3:23; Mosesy 5:1–12