Scripture Stories
Ireo loza tany Egypta


“Ireo loza tany Egypta,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Ireo loza tany Egypta,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Eksodosy 4–5; 7–12

Ireo loza tany Egypta

Ny safidin’i Farao nanohitra ny Tompo

Sary
i Mosesy sy i Arona miresaka amin’i Farao

Natoky ny Tompo i Mosesy ary niverina tany Egypta. Nandeha tany amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ary nangataka azy mba hanafaka ny Isiraelita sy hiala an’i Egypta. Tezitra i Farao ary nandà. Vao mainka notereny hiasa mafy kokoa ny Isiraelita.

Eksodosy 4:10–16; 5:1–18

Sary
renirano mivadiko ho rà

Satria tsy nihaino ny Tompo i Farao dia voaozona tamin’ny loza mahatsiravina ny Egyptiana. Voalohany dia nivadika ho rà ny rano rehetra tao Egypta. Nangataka an’i Farao indray i Mosesy mba handefa ny Isiraelita fa tsia hoy i Farao.

Eksodosy 7:14–25

Sary
Sahona mitsambikina amin’ireo Egyptiana.

Nanaraka izay dia nandefa sahona tao Egypta ny Tompo. Feno azy teny rehetra teny. Nilaza i Farao fa havelany mandeha ireo Isiraelita raha lasa ny sahona. Nalefan’ny Tompo nandeha ny sahona saingy tsy nalefan’i Farao nandeha ny Isiraelita Nanaraka izay dia nandefa moka sy lalitra ny Tompo.

Eksodosy 7:26–29; 8:1–28

Sary
Egyptiana sy biby maty

Taorian’izay dia maty avokoa ny biby fiompin’ny Egyptiana rehetra, fa tsy nisy na iray aza tamin’ny bibin’ireo Isiraelita no maty. Avy eo dia nisy fery naharary teny amin’ny vatan’ny Egyptiana.

Eksodosy 9:3–12

Sary
havandra sy afo mandrava an’i Egypta

Nisy tafio-drivotra nisy havandra sy afo ihany koa tonga tao Egypta. Niteraka faharavana mahatsiravina izany.

Eksodosy 9:22–35

Sary
valala mihinana vokatra

Mbola tsy namela ny Isiraelita handeha foana i Farao. Avy eo dia nandefa valala ny Tompo, ary nihinana ny sakafon’ny olona rehetra izany.

Eksodosy 10:12–20

Sary
Farao

Avy eo dia nisy haizim-pito naharitra telo andro. Nandritra ny maro tamin’ireo loza dia nampanantena i Farao fa hamela ny Isiraelita handeha izy raha mitsahatra ilay loza, saingy nandainga foana anefa izy

Eksodosy 10:21–23, 27

Sary
Mosesy mianakavy

Taorian’ny loza sivy samihafa dia mbola tsy namela ny Isiraelita handeha foana i Farao. Nilaza tamin’i Mosesy ny Tompo fa hisy loza mahatsiravina iray hafa ho avy. Nitarika sy niaro ny Isiraelita ny Tompo teo am-piandrasan’izy ireo ny fanafahana azy ireo.

Eksodosy 11:4–7; 12:1–13