Scripture Stories
Mpaminany Elia


“Mpaminany Elia,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Mpaminany Elia,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Mpanjaka 16–18

Mpaminany Elia

Finoan’ny reny iray sy fahagagana avy amin’ny Tompo

Sary
Elia miresaka amin’ny mpanjaka Ahaba sy mpanjakavavy Jezabela

Tsy nisy orana tao amin’ny fanjakan’i Isiraely, ary efa ho lany ny rano. Tsy tia ny mpaminanin’ Andriamanitra i Ahaba mpanjaka sy i Jezabela mpanjakavavy. Novonoin’izy ireo mihitsy aza ny mpaminany sasany. Nivavaka tamin’ny sampy ilay mpanjaka sy manjakavavy mba hiavian’ny orana. Saingy nilaza tamin’izy ireo i Elia mpaminany fa tsy handefa orana mandritra ny taona maro ny Tompo.

1 Mpanjaka 16:29–33; 17:1; 18:13

Sary
Elia miafina ireo miaramila

Tezitra mafy tamin’i Elia ilay mpanjaka sy mpanjakavavy. Nampitandrina an’i Elia ny Tompo mba hiafina satria tandindomin-doza ny ainy.

1 Mpanjaka 17:2–3

Sary
Elijah mandohalika eo amin’ny rano

Nentin’ny Tompo teo amin’ny rano iray i Elia ary nandefa vorona izy hitondra hanina ho azy. Saingy satria tsy nisy orana dia maina ilay rano ka tsy nanana rano i Elia.

1 Mpanjaka 17:4–7

Sary
Elia miresala amin’ny vehivavy

Nentin’ny Tompo tamina vehivavy iray tany amin’ny tanàna lavitra iray i Elia. Nangataka rano sy mofo taminy i Elia. Saingy ny ampy ho an’ny tenany sy ny an’ny zanany mandritra ny andro iray ihany no nanany.

1 Mpanjaka 17:8–12

Sary
Elia miresaka amin’ny vehivavy iray

Fantatr’i Elia fa izany no mba hanina sisa nananany. Nampanantena izy fa raha toa ka omeny hanina izy dia hanome sakafo ho azy sy ny fianakaviany ny Tompo mandrapiverin’ny orana.

1 Mpanjaka 17:13–14

Sary
Elia, vehivavy, ary ankizy mihinana

Nanao mofo ho an’i Elia ilay vehivavy. Dia nitombo ny diloilo sy ny kobany! Nisy sakafo ampy ho an’i Elia sy ho azy tao nandritra ny andro maromaro.

1 Mpanjaka 17:15–16

Sary
vehivavy misaona zaza maty

Indray andro dia narary ny zanak’ilay vehivavy ka maty. Nanontany an’i Elia izy hoe nahoana no navelan’ny Tompo hitranga izany.

1 Mpanjaka 17:17–20

Sary
vehivavy mamihina zaza

Nanana ny fisoronana i Elia. Nitsodrano ilay zanany izy ary nangataka ny Tompo mba hamerina indray ny ainy. Niaina indray ilay zaza ary nahafantatra ilay vehivavy fa mpaminan’ny Tompo i Elia.

1 Mpanjaka 17:21–24