Scripture Stories
Mosesy sy ny menarana varahina


“Mosesy sy ny menarana varahina,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Mosesy sy ny menarana varahina,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Nomery 21

Mosesy sy ny menarana varahina

Mianatra manam-pinoana ny Tompo

Sary
menarana manaikitra olona

Nandritra ny fotoana nandehanan’ny Isiraelita tany an’efitra dia matetika izy ireo no nanadino ny Tompo sy nimonomonona. Nandefa menarana ny Tompo mba hanampiana azy ireo hanetry tena sy hahatsiaro Azy. Nanaikitra ny olona ireo menarana ary olona maro no maty.

Nomery 21:1–6

Sary
olona mitalaho amin’i Mosesy

Vetivety dia nibebaka ny olona. Niangavy an’i Mosesy izy ireo hivavaka mba hanesoran’ny Tompo an’ireo menarana. Tsy nesorin’ny Tompo ireo menarana. Nanomana fomba kosa nefa Izy mba hamonjena ny olona raha voakaikitra izy ireo.

Nomery 21:7

Sary
Mosesy mihazona menarana varahina

Nasain’ny Tompo nanamboatra menarana tamin’ny varahina ny Tompo ary hanantona izany tamin’ny hazo lava. Rehefa voakaikitra ny olona ka nijery ilay menarana varahina dia namonjy azy ireo ny Tompo. Nanampy ny Isiraelita ny Tompo mba hanetry tena sy hatoky Azy.

Nomery 21:8–9; 1 Nefia 17:41; Helamàna 8:14–15