Scripture Stories
Josefa tany Egypta


“Josefa tany Egypta,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Josefa tany Egypta,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 39–41

Josefa tany Egypta

Lasa mpitarika ny andevo iray

Sary
Joseph namidy tamin’i Potifara

Novarotana ho andevo tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Potifara i Josefa. Niasa ho an’i Farao izay mpanapaka tao Egypta i Potifara. Afaka nilaza i Potifara fa nanampy an’i Josefa ny Tompo. Natoky an’i Josefa izy ka dia nanome azy andraikitra hiikarakara ny tao an-tranony sy izay rehetra nananany.

Genesisy 39:1–6

Sary
Josefa mandà ny vadin’i Potifara

Tia an’i Josefa ny vadin’i Potifara. Tiany handika ny didin’ Andriamanitra niaraka taminy i Josefa. Nandà azy i Josefa.

Genesisy 39:7–10

Sary
Josefa mandositra ny vadin’i Potifara

Tsy nety nihaino ny vadin’i Potifara ka dia nitsoaka i Josefa. Tezitra tamin’i Josefa izy.

Genesisy 39:11–12

Sary
Ny vadin’i Potifara miresaka amin’i Potifara

Nampiseho sombiny tamin’ny akanjon’i Josefa an’i Potifara izy. Nandainga momba an’i Josefa tamin’i Potifara izy. Nampidirin’i Potifara tao am-ponja i Josefa.

Genesisy 39:13–20

Sary
Josefa tao am-ponja

Nosarahana tamin’ny fianakaviany i Josefa. Efa lasa andevo izy teo aloha, ary izao izy dia lasa andevo indray. Saingy mbola nanampy an’i Josefa hatrany ny Tompo. Tsy nilavo lefona i Josefa. Nitahy ny mpiambina ny fonja ny Tompo mba hahitany ny hatsarana tao anatin’i Josefa. Nanomboka natoky azy ilay mpiambina, ka noho izany dia nomeny andraikitra hisahana ireo gadra hafa i Josefa.

Genesisy 39:21

Sary
Josefa nanazava ny nofin’ireo gadra

Nifankahafantatra tamin’ny gadra anankiroa i Josefa, izay mpanao mofo sy mpitondra kapoakan’ny mpanjaka izay niasa ho an’i Farao. Samy nanana nofy hafahafa izy ireo. Nohazavain’i Josefa tamin’ny alalan’ny herin’ny Tompo ny hevitry ny nofin’izy ireo. Ny hevitry ny nofin’ilay mpitondra kapoaka dia hoe hahazo fahafahana izy. Telo andro taorian’izay dia nafahana mba hiasa indray ho an’i Farao izy.

Genesisy 39:22–23; 40:1–21

Sary
farao tezitra

Indray andro dia tezitra noho ny nofiny i Farao. Tsy nisy olona afaka nilaza taminy ny hevitr’ilay nofiny.

Genesisy 41:1–8

Sary
mpitondra kapoaka miresaka amin’i Farao

Dia tadidin’ilay mpitondra kapoaka tamin’izay fa afaka manazava nofy i Josefa.

Genesisy 41:9–13

Sary
Josefa manazava ny nofin’i Farao

Navoaka avy tao am-ponja i Josefa mba hanazava ny nofin’i Farao. Nilaza i Josefa fa ilay nofy dia nidika hoe hisy fito taona hananan’i Egypta sakafo be dia be ary aorian’izay dia hisy fito taona hisian’ny mosary ka zara raha hisy sakafo. Nilaza tamin’i Farao i Josefa fa tokony hanao tahirin-tsakafo i Egypta mandritra ireo taona zina.

Genesisy 41:14–36

Sary
Josefa mampiseho toerana fitehirizana sakafo an’i Farao

Fantatr’i Farao fa marina ny zavatra nolazain’i Josefa momba ny nofiny. Nafahany avy tao am-ponja i Josefa ary nataony mpitarika lehibe tao Egypta. Nandritra ny fito taona dia nanampy an’i Egypta hanao tahirin-tsakafo i Josefa.

Genesisy 41:37–53

Sary
olona mandeha mankany Egypta

Dia tonga avy eo ilay mosary. Nandritra io fotoana io dia tsy nisy olona afaka namokatra sakafo. Nandeha tany Egypta ny olona mba hividy ireo sakafo notehirizin’i Josefa. Noho i Josefa dia nahavita nitahiry sakafo ampy tsara ny Egyptiana mba hanampiany ny tenany sy ny hafa tsy ho matin’ny mosary.

Genesisy 41:54–57