Scripture Stories
Rahaba sy ireo mpisafo tany


“Rahaba sy ireo mpisafo tany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Rahaba sy ireo mpisafo tany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Josoa 26

Rahaba sy ireo mpisafo tany

Safidy namonjy fianakaviana iray

Sary
vahoaka ao anaty tanàna mitazan-davitra

Nipetraka tao Jeriko ny vehivavy iray antsoina hoe Rahaba talohan’ny nakan’ny Isiraelita an-keriny ilay tanàna. Nahare izy fa nanasaraka ny Ranomasina Mena ho an’ny Isiraelita ny Tompo. Fantatr’i Rahaba fa hanampy ny Isiraelita ny Tompo mba handresy ny tanàna nisy azy. Ratsy fanahy ny olona tao Jeriko.

Josoa 2:9–11

Sary
mpisafo tany miafina ireo mpiambina

Ny mpaminany Josoa no nitarika ny miaramila Isiraelita. Naniraka mpisafo tany anankiroa ho any Jeriko izy. Saingy nisy nahita ireo mpisafo tany ireo, ka dia nandefa mpiambina ny mpanjakan’i Jeriko hisambotra azy ireo.

Josoa 2:1–3

Sary
Rahaba miresaka amin’ireo mpisafo tany

Nankao amin’ny tranon’i Rahaba ireo mpisafo tany. Nanaiky ny hanampy ireo mpisafo tany i Rahaba, ka dia nafeniny tao ambonin’ny tafon-tranony izy ireo.

Josoa 2:4–6

Sary
Rahaba manafina ireo mpisafo tany

Nanao fisavana tao amin’ny tranon’i Rahaba ireo lehilahy nirahin’ny mpanjaka saingy tsy nahita ireo mpisafo tany. Rehefa lasa izy ireo dia nangataka tamin’ireo mpisafo tany i Rahaba mba hiaro ny fianakaviany rehefa ho avy hanafika an’i Jeriko ny miaramilan’izy ireo. Nampanantena an’i Rahaba ireo mpisafo tany fa tsy hisy zavatra hanjo ny fianakaviany. Dia nanipy tady tany ivelan’ny varavarankeliny i Rahaba avy eo mba ho ampiasain’ireo mpisafo tany handosiran’izy ireo.

Josoa 2:3, 12–15

Sary
Rahaba sy ny fianakaviany mandositra miala an’i Jeriko

Niverina tany amin’ny mpaminany Josoa ireo mpisafo tany dia niteny an’ireo miaramila Isiraelita mba tsy handratra na iza na iza ao amin’ny tokantranon’i Rahaba. Taty aoriana rehefa naharesy an’i Jeriko ny Isiraelita, dia nitazona ny fampanantenana nataony tamin’i Rahaba izy ireo. Niaro ny fianakaviany ny herim-po nananan’i Rahaba. Nanatevin-daharana ny vahoakan’ny Tompo ny fianakaviany.

Josoa 2:23; 6:25; Hebreo 11:31