Scripture Stories
Davida zazalahy


“Davida zazalahy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Davida zazalahy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Samoela 16

Davida zazalahy

Zazalahy mpiandry ondry nantsoina ho lasa mpanjaka

Sary
Samoela manao dia lavitra

Naniraka ny mpaminany Samoela ny Tompo mba hitady mpanjaka vaovao. I Saoly izay mpanjaka tamin’izany dia tsy nanaraka ny tenin’ny Tompo intsony. Nasain’ny Tompo nandeha nankany Betlehema i Samoela mba hitady lehilahy iray nantsoina hoe Jese. Ny iray amin’ireo zanakalahin’i Jese no ho lasa mpanjaka vaovao.

1 Samoela 16:1–5

Sary
Samoela sy ireo zanakalahin’i Jese

Ranjanana sy natanjaka ireo zanakalahy lehibe an’i Jese. Saingy niteny an’i Samoela ny Tompo mba tsy hitsara azy ireo tamin’ny endriny ivelany.

1 Samoela 16:6–10

Sary
Samoela miresaka amin’i Jese

Nanontany an’i Jese i Samoela raha mbola nanana zanakalahy hafa izy. Nilaza i Jese fa nikarakara ireo ondry i Davida zanany faralahy. Nentina teo amin’i Samoela i Davida.

1 Samoela 16:11

Sary
Samoela sy Jese mijery an’i Davida ilay zazalahy mpiandry ondry

Kely noho ireo rahalahiny i Davida ary zazalahy mpiandry ondry fotsiny izy tamin’izany. Saingy tsy nampaninona an’ny Tompo ny endrik’i Davida tety ivelany. Fantatry ny Tompo fa feno finoana ny fon’i Davida. Niteny tamin’i Samoela izy fa i Davida no ho lasa mpanjaka. Nitsodrano an’i Davida i Samoela. Nanomana an’i Davida ho lasa mpanjaka ny Fanahin’ny Tompo.

1 Samoela 16:12–13