Scripture Stories
Malakia mpaminany


“Malakia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Malakia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Malakia 13

Malakia mpaminany

Miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena

Sary
olona manome fahafolonkarena ratsy

Nandoa ny fahafolonkarenany tamin’ny fanomezana ny ampahafolon’ny vokatra azony sy ny biby fiompiny ho an’ny Tompo ny Jiosy. Nitahy azy ireo ny Tompo rehefa nandoa fahafolonkarena izy ireo. Saingy nisy Jiosy sasantsasany nanomboka nanome mofo ratsy na biby fiompy jamba na narary mba hatao fahafolonkarena. Notazoniny ho azy ireo tsara indrindra.

Genesisy 14:20; 28:22; Deoteronomia 12:6, 11, 17; Malakia 1:7–8, 12–13

Sary
Malakia mampianatra ny olona

Tsy faly tamin’izany ny Tompo. Niteny tamin’ny Jiosy i Malakia, izay mpaminany, fa nandroba ny Tompo izy ireo rehefa tsy marin-toetra tamin’ny fandoavana fahafolonkarena. Nasain’i Malakia nibebaka izy ireo.

Malakia 3:8–9

Sary
Malakia mijery ny olona manolotra fahafolonkarena marina

Nanao fampanantenana tamin’ireo Jiosy ny Tompo. Raha nanome fahafolonkarena marina izy ireo dia handrotsaka fitahiana lehibe avy any an-danitra ny Tompo.

Malakia 3:10–12