Scripture Stories
Josoa mpaminany


“Josoa mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Josoa mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Deoteronomia 10; 3134; Josoa 1; 3–6; 10–11; 2124

Josoa mpaminany

Fizahan-toetra farany alohan’ny hidirana tao amin’ny tany nampanantenaina

Sary
i Josoa mivavaka

Niantso an’i Josoa ny Tompo mba ho lasa mpaminany vaovao taorian’ny nampiakarana ny mpaminany Mosesy tany an-danitra. Raha mbola nitoby teo akaikin’ny ony Jordana ny Isiraelita dia nilaza ny Tompo fa tonga tamin’izay ny fotoana hifindran’izy ireo tany amin’ny tany nampanantenaina.

Deoteronomia 34:1–9; Josoa 1:1–4; Almà 45:19

Sary
olona ratsy fanahy tao Kanana

Tao Kanana ny tany nampanantenaina, saingy nisy olona ratsy fanahy nipetraka tao. Notenenin’ny Tompo i Josoa mba hatanjaka sy hanana herim-po. Afaka ny hahazo ny tany Kanana miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo ny Isiraelita.

Josoa 1:1–9

Sary
ny Isiraelita eo amin’ny ony Jordana

Nanangona miaramila i Josoa. Nasain’ny Tompo nentin’izy ireo ireo takela-bato nisy ny Didy Folo sy ireo soratra masina hafa. Nentin’ireo mpisorona tao anatina vata nantsoina hoe ny fiaran’ny fanekena ireo zavatra masina ireo. Avy eo dia niomana ny hiampita ny ony Jordana ilay tafika. Lalina sy nikoriana haingana ilay rano.

Deoteronomia 10:5; 31:25–26; Josoa 1:10–11; 3:1–11

Sary
Josoa mpaminany

Nampanantena ny Isiraelita i Josoa fa hanampy azy ireo hiampita ilay rano ny Tompo.

Josoa 3:10–13

Sary
rano misaraka manodidina ny tongotra

Nangataka mpisorona 12 i Josoa hibata ilay fiaran’ny fanekena dia handeha ao anaty rano. Vao namindra ny tongony tao anaty rano ireo mpisorona dia nisaraka ny rano.

Josoa 3:12–17

Sary
Ny Isiraelita mitondra fiaran’ny fanekena eo amoron’ny ony maina, ary ny sasany manangona vato

Niampita ilay rano tamin’ny tany maina ny Isiraelita. Nasain’i Josoa naka vato 12 avy eo amin’ilay moron-drano ritra ny Isiraelita. Nametraka ireo vato izy mba hampahatsiahivana an’ny Isiraelita ny fahagagana nataon’ny Tompo tamin’io andro io.

Josoa 3:17; 4:1–24

Sary
ny Isiraelita mandeha mankany amin’ny tanàna iray

Nitarika ny miaramila Isiraelita nankany amin’ny tany Kanana i Josoa. Tonga tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Jeriko izy ireo. Nanana ny tanjany tokoa ilay tanàna ary nisy manda avo be. Notenenin’ny Tompo an’i Josoa ny fomba handresena an’i Jeriko. Nilaza Izy fa tokony handeha manodidina an’i Jeriko isan’andro mandritra ny enina andro ny Isiraelita. Nankatò ny Tompo i Josoa.

Josoa 5:13–15; 6:1–5

Sary
ireo mpisorona mitondra fiaran’ny fanekena, ary ny hafa mitsoka anjomara

Nasain’i Josoa nitondra ny fiaran’ny fanekena teo anoloan’ny Isiraelita ireo mpisorona. Isan’andro dia nandeha nanodidina an’i Jeriko ilay tafika, ary nisy mpisorona fito nitsoka ny anjomaran’izy ireo. Tsy niteny na inona na inona ny Isiraelita hafa rehetra.

Josoa 6:6–14

Sary
ny Isiraelita mihoraka, ilay manda mirodana

Tamin’ny andro fahafito dia nandeha nanodidina an’i Jeriko im-pito ireo miaramila. Rehefa nitsoka ny anjomarany ireo mpisorona dia nasain’i Josoa nihoraka ny Isiraelita. Tampoka teo dia nirodana tamin’ny tany ireo manda ka dia nalain’ny miaramilan’i Josoa ilay tanàna.

Josoa 6:15–16, 20

Sary
Josoa miresaka amin’ny olona ao anaty tanàna

Nanampy ny Isiraelita araka izay nampanantenainy ny Tompo. Nanohy naka ny tany Kanana ny miaramilan’i Josoa ka dia nanomboka nipetraka tao ny Isiraelita. Nampahatsiahivin’i Josoa azy ireo ny fahagagana sy ny fampanantenana nataon’ny Tompo. Nasainy nisafidy ny hanompo ny Tompo ny Isiraelita.

Josoa 10:42; 11:23; 21:43–45; 24:15