Scripture Stories
Elisa mpaminany


“Elisa mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Elisa mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

2 Mpanjaka 2; 4

Elisa mpaminany

Fahagagana avy amin’ny Tompo

Sary
Elia miresaka amin’i Elisa

Tamin’ny alalan’i Elia mpaminany dia nanomana an’i Elisa ny Tompo mba ho mpaminany manaraka. Avy eo dia nalain’ny Tompo ho any an-danitra i Elia.

2 Mpanjaka 2:1–15

Sary
vehivavy mandraraka diloilo

Nanampy an’i Elisa hanatanteraka fahagagana maro ny Tompo. Indray mandeha i Elisa dia nitsodrano ny diloilon’ny vehivavy mahantra iray ka nahafeno siny maro izany. Dia namidin’ilay vehivavy avy eo ny diloilo handoavany ny trosany.

2 Mpanjaka 4:1–7

Sary
Elisa miresaka amin’ny fianakaviana

Tamin’ny fotoana iray hafa dia nisy vehivavy be finoana iray nanompo an’i Elisa ary tena tsara fanahy taminy. Nanontany azy i Elisa ny amin’izay azony atao mba hanampiana azy. Nanantena zanaka iray izy. Nitsodrano azy sy ny vadiny i Elisa mba hanan-janaka.

2 Mpanjaka 4:8–17

Sary
fianakaviana mankalaza

Saingy afaka taona vitsivitsy dia narary ilay zaza ka maty. Nandeha nitady an’i Elisa ilay vehivavy satria nanam-pinoana izy fa afaka hanavotra ilay zanany izy. Tonga i Elisa ary nitsodrano ilay ankizilahy ka velona indray izy. Nanampy an’i Elisa hanao fahagagana maro ny Tompo. Mpaminany lehiben’ny Tompo izy.

2 Mpanjaka 4:18–37