Scripture Stories
Jakoba sy Esao


“Jakoba sy Esao,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Jakoba sy Esao,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Genesisy 25–27

Jakoba sy Esao

Mpirahalahy sy fizokiana iray

Sary
i Esao sy i Jakoba miasa

Nanan-janaka kambana Isaka sy i Rebeka, dia i Jakoba sy i Esao. Mpihaza mahay i Esao. I Jakoba kosa niaiana fiainana tsotsotra ary nanaraka ny Tompo.

Genesisy 25:20–28

Sary
Esao sy Isaka

Esao no teraka voalohany. Ny teraka voalohany matetika no nandray ny tsodranon’ny fizokiana avy amin’ny rainy. Ny fizokiana dia midika fa hitarika ny fianakaviany izy ary hanana tany sy biby betsaka kokoa mba hikakarana ny fianakaviana. Saingy ny tenany no nampiahiahy kokoa an’i Esao fa tsy ny fianakaviany, ary tsy nankatò ny ray aman-dreniny sy ny Tompo izy.

Genesisy 25:25, 32; 26:34–35

Sary
Nanome sakafo an’i Esao i Jakoba

Indray andro dia niverina avy nihaza i Esao. Noana be izy ary nitalaho tamin’i Jakoba mba hanome hanina azy. I Jakoba no tian’ny tompo hahazo ny tsodranon’ny fizokiana satria tsy mendrika izany i Esao. Nangataka an’i Esao hamarotra aminy ny fizokiana amin’ny alalan’ny sakafo vitsivitsy i Jakoba. Nanaiky i Esao ary nivarotra ny fizokiany tamin’i Jakoba.

Genesisy 25:23, 29–34; Hebreo 11:20

Sary
Rebeka sy Isaka

Naniry ny soa indrindra ho an’ireo zanany i Rebeka sy Isaka. Nalahelo izy ireo satria mbola nanohy nanao ny zavatra tiany atao i Esao fa tsy izay tian’ny Tompo.

Genesisy 26:34–35

Sary
Isaka miresaka amin’i Esao

Lasa antitra Isaka ary lasa jamba. Talohan’ny nahafatesany dia nangataka an’i Esao izy mba hihaza sy hahandro biby hohaniny.

Genesisy 27:1–4

Sary
Rebeka mijery an’i Esao

Fantatr’i Rebeka fa tonga ny fotoana hanomezan’Isaka ny tsodranon’ny fizokiana.

Genesisy 27:5

Sary
Rebeka miresaka amin’i Jakoba

Nangataka an’i Jakoba mba haka biby anankiroa i Rebeka mba hahafahany mahandro ny sakafo mialohan’ny hahatongavan’i Esao. Amin’izay i Jakoba no handray ny tsodrano.

Genesisy 27:6–17

Sary
Isaka manome tsodrano an’i Jakoba

Niankanjo tahaka an’i Esao i Jakoba ary nitondra ilay sakafo tany amin-drainy. Nomen’Isaka ny tsodranon’ny fizokiana i Jakoba. Rehefa niverina i Esao dia tezitra mafy tamin’i Jakoba izy. Saingy tokony ho an’i Jakoba ny fizokiana satria nitandrina ny didin’ny Tompo izy fa i Esao tsy nanao izany.

Genesisy 27:18–29