Scripture Stories
Joba


“Joba,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2021)

“Joba,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Joba 1–3; 19; 38–42

Joba

Matoky ny fitiavan’ny Tompo

Sary
Joba mianakavy miara-misakafo hariva

Lehilahy tsara tia ny Tompo sy nitandrina ny didiny i Joba. Nanan-janaka 10 izy sy ny vadiny, ary nanana biby amam-borona maro izy ary harena be.

Joba 1:1–5

Sary
Joseph mijery tafio-drivotra

Navelan’ny tompo hotsapaina ny finoan’i Joba. Niaritra zavatra mafy i Joba.

Joba 1:6–12

Sary
tranon’i Joba may

Indray andro dia nisy nangalatra ny maro tamin’ireo bibin’i Joba. Taty aoriana dia main’ny afo ny fananan’i Joba rehetra ary nahafaty ny mpanompony sy ireo bibiny hafa rehetra. Avy eo dia nisy tafio-drivotra nandrava ny tranon’ny zanakalahin’i Joba. Tao anatin’izany ireo zanak’i Joba ary maty avokoa izy rehetra. Tsy nanana na inona na inona intsony i Joba sy ny vadiny afa-tsy ny fahasalaman’izy ireo.

Joba 1:13–19

Sary
i Joba sy ny vadiny mivavaka

Nalahelo i Joba sy ny vadiny. Very avokoa ny zava-drehetra, hatramin’ny zanak’izy ireo. Saingy mbola nanana finoana ny Tompo hatrany i Joba. Tsy nanome tsiny ny Tompo izy noho ny zavatra nitranga.

Joba 1:20–22

Sary
ny vadin’i Joba manome sakafo an’i Joba ao anatin’ny tsy fahasalamana

Avy eo dia lasa narary mafy i Joba. Nisy ratra mangirifiry nanarona ny vatany. Nanontany tena i Joba sy ny vadiny hoe nahoana ireo zavatra ratsy rehetra ireo no nitranga.

Joba 2:7–9; 3:1–11

Sary
Jesoa mampiseho an’i Joba izao rehetra izao

Niresaka tamin’i Joba ny Tompo ary nampiseho azy ny tany sy ny kintana ary ny zava-manan’aina rehetra. Nampianatra lesona manan-danja an’i Joba ny Tompo. Ny zava-drehetra dia nohariana mba hanampiana ny zanaky ny Ray any An-danitra hianatra momba an’i Jesoa Kristy Zanany sy hanaraka Azy.

Joba 38–41

Sary
Joba mianakavy

Nibebaka i Joba ary nangataka ny Tompo mba hamela azy noho ny fisalasalany. Nampanantena ny hatoky ny Tompo izy. Fantatry ny Tompo fa tia Azy i Joba. Nositraniny i Joba ary notahiany izy ka nomeny zanaka maro ary harena indroan’ny nananany teo aloha.

Joba 19:25–2642