Scripture Stories
Nandao an’i Jerosalema i Lehia sy i Sarià


“Nandao an’i Jerosalema i Lehia sy i Sarià,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Nandao an’i Jerosalema i Lehia sy i Sarià,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 1–2

Nandao an’i Jerosalema i Lehia sy i Sarià

Ny fampitandreman’ny Tompo ho an’ny fianakaviana iray

Sary
Fahitana avy amin’ny Tompo

Niaina tao Jerosalema niaraka tamin’ireo zanany i Lehia sy i Sarià. Nahita fahitana avy amin’ny Tompo i Lehia. Nahita izy fa ho avy eto amin’izao tontolo izao ny Mpamonjy iray indray andro any. Nasehon’ny Tompo taminy koa fa horavana i Jerosalema.

1 Nefia 1:4–18

Sary
I Lehia miresaka amin’ny vahoaka tezitra

Nolazain’i Lehia tamin’ny vahoaka ny momba ilay fahitana hitany. Nolazainy tamin’izy ireo fa ho avy i Jesoa Kristy indray andro any mba hamonjy izao tontolo izao.

1 Nefia 1:18–19

Sary
Fahitana iray nahitana trano maro rava

Nolazain’i Lehia ihany koa ny vahoaka fa horavana i Jerosalema. Nanasa azy ireo mba hibebaka izy.

1 Nefia 1:14, 18–19

Sary
Vahoaka tezitra

Tezitra ny vahoaka. Niresaka indray tamin’i Lehia tao anatin’ny nofy iray ny Tompo. Nahafantatra i Lehia fa tsy ho voaro izy sy ny fianakaviany raha mbola mijanona ao Jerosalema. Nila nandeha izy ireo.

1 Nefia 1:19–20; 2:1–2

Sary
Fianakaviana mandao ny tanàna

Nankatò ny Tompo i Lehia sy i Sarià. Nandao ilay tanàna niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo. Nanan-janaka efatra antsoina hoe Lamàna, Lemoela, Samy ary Nefia i Lehia sy i Sarià. Nila nandao ny fonenany sy ireo zavatra tsara nananany izy ireo.

1 Nefia 2:3–5

Sary
Fianakaviana manao dia lavitra

Nanao dia tany an-tany foana tany akaikin’ny Ranomasina Mena ilay fianakaviana. Nisaotra ny Tompo i Lehia noho ny nitahiany ny fianakaviany. Nampianariny ny fianakaviany mba hanaraka ny Tompo sy hitandrina ny didiny.

1 Nefia 2:5–10

Sary
Fianakaviana tany an-tany foana

Nimonomonona i Lamàna sy i Lemoela. Nalahelo ny tranon’izy ireo sy ireo zavatra rehetra nilaozan’izy ireo izy ireo. Tsy takatr’izy ireo ny antony nangatahan’ny Tompo azy ireo mba handeha. Tsy nino izy ireo fa afaka ny ho rava ny tanàna lehibe iray tahaka an’i Jerosalema.

1 Nefia 2:11–13

Sary
I Lamàna sy i Lemoela

Nieritreritra i Lamàna sy i Lemoela fa noforonin’i Lehia tao an-tsainy ireo fahitana hitany. Ahoana raha very mandrakizay any an-tany foana ny fianakavian’izy ireo?

1 Nefia 2:11

Sary
Nefia

Naniry ny hahafantatra manokana i Nefia raha marina ny zavatra nolazain’i Lehia. Nivavaka izy ary nanontany ny Tompo.

1 Nefia 2:16

Sary
Nefia

Nandefa ny Fanahy Masina mba hanampy an’i Nefia hino ny tenin’ny rainy ny Tompo. Nino ny Tompo i Nefia ary nizara ny zavatra nianarany tamin’ireo rahalahiny. Nihaino sy nino an’i Nefia i Samy fa i Lamàna sy i Lemoela kosa dia tsy nihaino.

1 Nefia 2:16–18