Scripture Stories
I Noà Mpanjaka sy i Limia Mpanjaka


“I Noà Mpanjaka sy i Limia Mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Môzià 19–22

I Noà Mpanjaka sy i Limia Mpanjaka

Mitsoaka ireo Lamanita

Sary
Mitazona sabatra i Gideôna ary mijoro eo akaikina tilikambo; i Noà no ao amin’ilay tilikambo ary manondro tafika Lamanita

Nanapaka teo amin’ny vondrona Nefita iray i Noà Mpanjaka. Nanao zavatra ratsy maro izy, ary tezitra taminy ny olona sasany. Nisy lehilahy iray antsoina hoe Gideôna niady tamin’i Noà tamin’ny sabatra. Nitsoaka i Noà ary niakatra tamin’ny tilikambo iray. Avy teo amin’ilay tilikambo izy dia nahita tafika Lamanita nanatona. Mody nilaza i Noà fa natahotra ny amin’ny vahoakany ka dia navelan’i Gideôna ho velona izy.

Môzià 11:1–2; 19:2–8

Sary
I Noà mitsoaka, natahotra ny vahoakan’i Noà

Nitsoaka i Noà sy ny vahoakany. Saingy nenjehin’ireo Lamanita izy ireo ka nanomboka notafihin’izy ireo. Nilaza tamin’ireo lehilahy i Noà mba handao ny fianakavian’izy ireo any aoriana fa hanaraka azy kosa.

Môzià 19:9–11

Sary
I Limia, sy i Gideôna, ary ireo Nefita hafa niatrika ny tafika Lamanita

Niala ka nanaraka an’i Noà ny lehilahy sasany. Saingy maro tamin’ireo lehilahy no nisafidy ny hijanona miaraka amin’ny fianakaviany. Nisafidy ny hijanona ihany koa i Limia zanak’i Noà.

Môzià 19:12, 16–17

Sary
vehivavy mijoro eo anoloan’i Limia sy ireo Nefita hafa

Zanaka vavy maro no nijoro nanoloana an’ilay tafika ary nangataka an’ireo Lamanita tsy handratra ny fianakaviany. Nihaino an’ireo zanaka vavy ireo ny Lamanita ary namela ireo Nefita ho velona. Nogadrain’ny Lamanita kosa ireo nefita.

Môzià 19:13–15

Sary
Tezitra tamin’izy samy izy i Noà sy ireo lehilahy nanaraka azy

Naniry ny hiverina tamin’ny fianakaviany ireo lehilahy nitsoaka. Niezaka nanakana azy ireo i Noà koa dia novonoin’izy ireo izy. Avy eo dia niverina tany amin’ireo fianakaviany avy izy ireo.

Môzià 19:18–22

Sary
miarahaba ny fianakaviany sy i Gideôna ireo lehilahy Nefita

Faly izaitsizy ireo lehilahy fa voaro ny fianakaviany. Nolazain’izy ireo an’i Gideôna ny zavatra nitranga tamin’i Noà.

Môzià 19:22–24

Sary
Nomen’i Limia sakafo sy biby ireo Lamanita.

Nifidy an’i Limia ny vahoaka mba ho mpanjakan’izy ireo vaovao. Nampanantena ny mpanjaka Lamanita i Limia fa haloan’izy ireo amin’ny Lamanita ny antsaky ny zavatra rehetra ananan’izy ireo. Ho valin’izany dia nampanantena azy ireo ny mpanjaka Lamanita fa tsy handratra ny vahoakan’i Limia izy.

Môzià 19:25–27

Sary
Malahelo i Limia sy ny vadiny ary Nefita maro no maratra

Niaina tamim-pilaminana izy ireo nandritra ny taona maro. Avy eo dia nanomboka nanao ratsy ny vahoakan’i Limia ny Lamanita. Naniry ny ho afaka indray ireo vahoaka. Niezaka niady tamin’ireo Lamanita izy ireo saingy resy. Nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra ny vahoaka.

Môzià 19:29; 21:1–15

Sary
Miresaka i Limia sy i Amôna

Indray andro dia nisy Nefita iray antsoina hoe Amôna nitsidika an’i Limia sy ny vahoakany. Avy any amin’ny tany iray antsoina hoe Zarahemlà i Amôna. Faly i Limia nahita an’i Amôna.

Môzià 21:22–24

Sary
I Gideôna, i Limia, i Amôna, ary Nefita hafa mifampiresaka

Afaka hitarika ny vahoakan’i Limia ho any Zarahemlà i Amôna saingy nila nitsoaka ny Lamanita aloha izy ireo. Nanana drafitra i Gideôna.

Môzià 21:36; 22:1–9, 11

Sary
Mpiambina Lamanita matory, ary ny Nefita mandao ilay tanàna

Tamin’ny alina dia nomen’i Gideôna divay betsaka kokoa noho ny mahazatra ireo mpiambina Lamanita mba hampatory azy ireo. Rehefa natory ireo mpiambina dia nitsoaka an’ilay tanàna avokoa i Limia sy ny vahoakany rehetra.

Môzià 22:7, 10–12

Sary
Mandray an’i Limia sy ny vahoakany i Môzià Mpanjaka sy ny vahoakany

Nandeha tany Zarahemlà izy ireo ary nitambatra tamin’ireo Nefita tany. Nianatra bebe kokoa momba an’ Andriamanitra i Limia sy ny vahoakany. Nanao fanekempihavanana, na fampanantenana miavaka, izy ireo mba hanompo an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny. Natao batisa izy ireo ary lasa isan’ny Fiangonan’ Andriamanitra. Tsaroan’izy ireo fa nanampy azy ireo hitsoaka ny Lamanita Andriamanitra.

Môzià 21:32–35; 22:13–14; 25:16–18