Scripture Stories
Ny hazon’aina


“Ny hazon’aina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Ny hazon’aina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 8

Ny hazon’aina

Ilay nofin’i Lehia izay azo avy amin’ny fitaomam-panahy

Sary
I Lehia miresaka amin’ny fianakaviany

Indray alina dia niaina nofy avy amin’ny Tompo i Lehia. Noresahany tamin’ny fianakaviany ny momba ilay nofy.

1 Nefia 8:2–4

Sary
Anjely miresaka amin’i Lehia

Tao anatin’ny nofiny dia nahita lehilahy iray nanao akanjo fotsy lava i Lehia. Nasain’ilay lehilahy nanaraka azy i Lehia.

1 Nefia 8:5–6

Sary
I Lehia ao anaty haizina

Nahita ny tenany tao anaty haizina sy toerana foana i Lehia. Nandeha an-tongotra nandritra ny ora maro izy. Saingy tsy nisinda ilay haizina. Nony farany dia nivavaka mba hahazoana fanampiana i Lehia.

1 Nefia 8:7–8

Sary
I Lehia mijery hazo iray misy voankazo

Rehefa nifarana ny vavak’i Lehia dia nahita saha midadasika iray izy. Tao amin’io saha io dia nisy hazo iray nahitana voankazo miloko fotsy. Nieritreritra i Lehia fa hahatonga azy ho sambatra io voankazo io ka dia nihinana izany izy. Heniky ny fifaliana ny fanahiny.

1 Nefia 8:9–12

Sary
I Lehia mihinana voankazo ary i Sarià sy i Samy ary i Nefia kosa mijoro eo akaikin’ny renirano

Natsiro nihoatra izay voankazo rehetra hafa ilay voankazo. Mamy sy natsiro izany. Te hizara izany amin’ny fianakaviany i Lehia. Fantany fa hahatonga azy ireo ho sambatra koa izany. Nahita an’i Sarià sy i Samy ary i Nefia nijoro teo akaikin’ny renirano iray i Lehia. Toa ireny very ireny izy ireo. Niantso azy ireo tamin’ny feo mafy i Lehia. Nasainy nanatona sy nihinana ilay voankazo izy ireo.

1 Nefia 8:11–15

Sary
I Lamàna sy i Lemoela nihemotra

Nanatona teny amin’ilay hazo sy nihinana ilay voankazo i Sarià sy i Samy ary i Nefia. Nitady an’i Lamàna sy i Lemoela i Lehia. Tiany mba hihinana ilay voankazo koa izy ireo. Saingy tsy nandroso mba hihinana ilay voankazo izy ireo.

1 Nefia 8:16–18

Sary
Olona manatona ilay hazo

Avy eo dia nahita lalana misy anja-by izay mitondra mankeny amin’ilay hazo i Lehia. Nahita olona maro nandeha teo amin’ilay lalana izy. Tampoka teo dia indro nisy zavona matevina. Nanasarotra ny fahitana ny manodidina ilay haizina. Ny hany fomba hahatongavana eny amin’ilay hazo dia ny fifikirana amin’ilay anja-by.

1 Nefia 8:19–24

Sary
Tanana mihazona anja-by

Nisy olona sasantsasany nandao ilay lalana ka very. Ny hafa kosa dia namikitra ilay anja-by ary nandroso hatrany.

1 Nefia 8:23–24

Sary
Vehivavy mihinana voankazo

Rehefa tonga teo amin’ilay hazo izy ireo dia nihinana ny voankazo.

1 Nefia 8:24

Sary
Hazo, renirano, ary trano lehibe

Nitraka i Lehia ary nahita trano lehibe iray feno olona maro. Nihomehy ireo olona izay nihinana ny voankazo izy ireo. Ny sasany tamin’ireo izay nihinana ny voankazo dia tsy nahazo aina rehefa nihomezan’ny hafa, koa dia niala teo amin’ilay hazo izy ireo. Nirenireny teny izy ireo ka very.

1 Nefia 8:25–28, 31–32

Sary
Olona eo amin’ilay hazo

Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita olona betsaka kokoa hihazona mafy ilay anja-by. Nandroso tsikelikely izy ireo mandra-pahatongan’izy ireo teo amin’ilay hazo. Avy eo izy ireo dia nandohalika teo amin’ilay hazo ary nihinana ny voankazo. Tsy nihaino ireo olona tao anatin’ilay trano lehibe izy ireo. Nisafidy ny hijanona teo amin’ilay hazo izy ireo.

1 Nefia 8:30, 33

Sary
I Lehia miresaka amin’ny fianakaviany

Rehefa nifoha i Lehia dia niahiahy ny amin’i Lamàna sy i Lemoela izy. Tsy nihinana ny voankazo tao amin’ilay nofiny izy ireo. Tian’i Lehia i Lamàna sy i Lemoela. Nanantena izy fa hijanona hanakaiky ny Tompo izy ireo. Nanasa azy ireo izy mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra.

1 Nefia 8:36–38