Scripture Stories
I Almà teo amin’ny ranon’i Môrmôna


“I Almà teo amin’ny ranon’i Môrmôna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Môzià 18; 23

I Almà teo amin’ny Ranon’i Môrmôna

Lasa vahoakan’ Andriamanitra

Sary
Mijery any amin’ny rano i Almà

I Almà dia mpisoron’ny mpanjaka iray antsoina hoe Noà taloha. Niezaka nanavotra an’i Abinadia, mpaminanin’ Andriamanitra, tsy ho fatin’i Noà i Almà. Saingy tezitra tamin’i Almà i Noà ary naniry ny hamono an’i Almà koa. Nitsoaka an’i Noà i Almà mba tsy ho azon-doza. Nandritra ny andro dia niafina tamin’ny toerana iray antsoina hoe Ranon’i Môrmôna i Almà

Môzià 17:2–4; 18:4–5, 8

Sary
Mandohalika sy mivavaka eo amoron-drano i Almà

Nino ny zavatra nampianarin’i Abinadia momba an’i Jesoa Kristy i Almà. Nangataka an’ Andriamanitra izy mba hamela ny fahotany sy ny fadisoany.

Môzià 18:1–2

Sary
I Almà ao an-tanàna amin’ny alina

Nihaona an-tsokosoko tamin’ny olona i Almà ary nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa. Nampianatra an’ireo rehetra izay nihaino izy.

Môzià 18:1–3

Sary
Mihaino an’i Almà mampianatra eo amoron’ny rano ny olona

Olona maro no nino an’i Almà. Nandeha tany amin’ny Ranon’i Môrmôna izy ireo mba hihaino an’i Almà mampianatra.

Môzià 18:3–8, 31

Sary
Mipetraka i Almà ary mampianatra eo amoron’ny rano

Ireo nino dia naniry ny hantsoina hoe vahoakan’ Andriamanitra, sy hanampy ny hafa, ary hilaza ny olona momba an’ Andriamanitra. Koa nasain’i Almà hatao batisa izy ireo. Rehefa atao batisa izy ireo dia hanao fanekempihavanana, na fampanantenana, amin’ Andriamanitra mba hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Ho valin’izany dia homen’ Andriamanitra ny Fanahiny izy ireo.

Môzià 18:8–10, 13

Sary
Manao batisa vehivavy ao amin’ny rano i Almà

Tena faly be ny olona. Nitehaka izy ireo ary nilaza fa te hatao batisa. Nataon’i Almà batisa avokoa izy tsirairay avy tao amin’ny Ranon’i Môrmôna. Heniky ny Fanahin’ Andriamanitra avokoa izy rehetra ary nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo. Lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy izy ireo.

Môzià 18:11–17, 30

Sary
Tezitra i Noà Mpanjaka sady manondro

Hitan’i Noà fa niala ny taniny ny sasany tamin’ireo vahoakany. Naniraka mpanompo izy mba hijery azy ireo. Hitan’ireo mpanompo ireo vahoaka nandeha tao amin’ny tanin’i Môrmôna mba hihaino ny fampianaran’i Almà. Tezitra mafy i Noà. Nalefany hamono an’i Almà sy ireo vahoaka nampianarin’i Almà ny miaramilany.

Môzià 18:31–33

Sary
I Almà sy ny vahoakany mandeha

Nampitandrina an’i Almà momba an’ilay tafika Andriamanitra. Niaraka tamin’ny fanampian’ Andriamanitra, dia niala soa aman-tsara an’ilay tany i Almà sy ny vahoakany. Tsy tratran’ilay tafika izy ireo. Nandeha nandritra ny valo andro tany an-tany foana izy ireo ary tonga teo amin’ny tany tsara tarehy iray. Nanao trano vaovao teo izy ireo. Nampianatra ny vahoaka i Almà, ary nitandrina ny fampanantenana nataony tamin’ Andriamanitra izy ireo.

Môzià 18:34–35; 23:1–20